La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenena: Manao resaka adala ny iraka ny OIF

Publié le 03 février 2018

Isan’ny nanamarika ity herinandro ity ny fandalovan’ny delegasionina manokana avy amin’ny OIF na ny fivondronamben’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, teto Madagasikara. Ny tena marina dia iraka nalefan’ny sekretera jeneralin’ny OIF eto amintsika ity delegasionina ity, izay tarihin’ny filohan’ny tetezamita tany Niger teo aloha, ny jeneraly Salou Djibo. Mazava ny anton-dian’izy ireo eto Madagasikara, dia ny hanery ireo mpitondra fanjakana amin’ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity, eo ihany koa ny fanomezana toky an’ireo mpanao pôlitika efa fantatra fa hilatsaka ho fidiana amin’io fifidianana filoham-pirenena io. Tao anatin’ny herinandro dia toto-afo ny fihaonan’ireto delegasionina avy amin’ny OIF ireto sy ireo filohana andrim-panjakana eto amin’ny firenena, ao anatin’izany ny filoham-pirenena, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ary ireo filohan’ny parlemanta roa tonta. Tahaka ny mahazatra dia tsy azon’ny mpanao gazety atrehana ny fihaonana fa rehefa vita ny dinidinika vao manao tatitra fohy ny votoatin’ny dinika natao ny jeneraly Salou Djibo. Mitovy foana moa ny resaka nataon’ity filoha nigerianina teo aloha ity rehefa anontanian’ny mpanao gazety amin’ny tena tanjon’izy ireo amin’izao fandalovana eto Madagasikara izao, dia tsy inona izany fa ny hisian’ny fifidianana milamina, madio ary eken’ny rehetra eto amintsika. “Velom-bolo izahay iraka avy amin’ny OIF satria rehefa nifampiresaka tamin’ireo mpitondra fanjakana malagasy izahay dia mahita fa tena maniry mafy ny hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra ny mpitondra. Izay ihany mantsy no antoka amin’ny hisian’ny fifidianana milamina ka tsy hiteraka krizy politika vaovao eto Madagasikara”, hoy ny jeneraly Salou Djibo, tao aorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny alakamisy teo. Raha tena izany tokoa ny eritreritr’ity iraka avy amin’ny OIF ity dia mampihomehy ihany satria ny mpanara-baovao, ny mpanara-maso sy ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena, ny fikambanana firaisa-monim-pirenena, ary ireo antoko pôlitika ivelan’ny fitondrana, dia samy mahita avokoa fa tsy maintsy hisy korontana eto amin’ity Madagasikara ity, amin’io fifidianana amin’ny faran’ny taona io noho ny ataon’ny fitondrana. Efa mipetrapetraka tsara daholo ankehitriny ny tetika maloton’ny HVM mba ahafahana mandresy amin’ny fifidianana, anisan’ny lehibe amin’izany ny famolavolana lalàm-pifidianana hanome vahana ny kandidam-panjakana. Voaresaka matetika ihany koa tato ho ato ny fikasàn’ny fitondrana hanakana ny filatsahan-kofidian’ireo mpifandrina pôlitika matanjaka aminy, tsy iza izany fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Raha izao fipetraka ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika izao dia sarotra ny hinoana fa hitondra filaminana ho an’ny firenena ny fifidianana ho tanterahina amin’ny faran’ny taona. Izany no antony mahatonga ireo mpanao pôlitika sy ireo mpamakafaka ny raharaham-pirenena sasany manao antso avo mba tsy hirosoana aloha amin’izay fifidianana izay. Raha fintinina izany dia resaka adala fotsiny no ataon’ireto iraky ny OIF mandalo eto amintsika ireto satria nofy ririnina ihany izany fifidianana madio sy mangarahara ary fifidianana ho tontosa ao anatin’ny filaminana izany, raha io fitondrana entin-dRajaonarimampianina io no mitàna ny fahefana. Sarotra moa ny hinoana fa tsy mahalala ny tena zava-misy eto Madagasikara ny OIF saingy eo amin’ny sehatra ny diplaomasia, indrindra fa ny diplaomasian’ny tandrefana dia ny fihatsarambelatsihy no manjaka.

                                                                                             F.Tsihiavonana

Lire aussi