La Gazette de la grande ile

Vondrom-bahoakam-paritra: Fahadisoana ny mifanakalo traikefa amin’i Frantsa

Publié le 03 février 2018

Hotanterahina etsy amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Carlton eto Antananarivo ny faha-5 ka hatramin’ny faha-7 martsa ho avy izao ilay andiany faharoa amin’ilay fikaonan-doha momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena  ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra malagasy sy frantsay (Assise de la coopération internationale des collectivités territorialeé malagasy et française).

Voalaza fa lohahevitra dimy no hifotoran’io fikaonan-doha io, dia ny momba ny tanora, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fitantanana (gouvernance), ny fanadiovana ary ny momba ny loza voajanahary.

Tsy maintsy hisy izany ny fifanakalozana traikefa ary ny hihafarany dia haka lesona amin’ireo Frantsay handray anjara amin’io ny Malagasy hisehatra mandritra io hateloana io ao.

Ny fanamarihana voalohany aloha dia hoe vondrom-bahoakam-paritra na « collectivités territoriales » inona no no hiresaka ao ? Itsinjaram-pahefana na « décentralisées » ve sa « anapariaham-pitondrana » (déconcentrées) ?

Ilaina ny mamaritra izeany moaloha satria toa lasa sehatra isehosehoana fotsiny ny fikaonan-doha  toa ireny fa tsy misy tanjona matotra.

Raha vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefgana mantsy dia ny olom-boafidy any anivon’ny rafitra toy ny kaominina no tokony ho tena mpisehatra fa raha rafitra anapariaham-pitondrana dia ireo olom-boatendrim-panjakana toy ny lerhiben’ny distrika na lehiben’ny faritra (amin’izao fotoana) sy ny hafa.

Etsy ankilany, ny tsy nampahomby ny asa fampandrosoana sy fampivoarana teto hatrizay dia noho ny tompon’andraiki-panjakana teto fatra-paka tahaka amin’ny zava-misy any ivelany, ary matetika dia ny any Frantsa no atao filamatra.

Aoka hotsarovana mandrakariva anefa fa nanana ny rafi-piaraha-monina manokana ho azy isika Malagasy, ary azo ambara ho voajanahary mihitsy aza . Ka nahoana no ny an’ny hafa no hofaritana ho « filamatra » fa ny antsika tsinontsinona ?

Na tamin’ny Repoblika voalohany na tamin’ny Repoblika fahatelo, ary na ny amin’izao Repoblika fahefatra izao dia saika foto-pisainana frantsay no nentina nametrahana ny rafitra ny vondrom-bahoakam-paritra tetro amintsika. Tsy mahagaga izany satria nanafaran’ny mpitondra teto manam-pahaizana (expert) avy any Frantsa hatrany ny famolavolana sy fandrafetana ny lalàna sy ny sata momba ireny rafitra ny vondrom-bahoakam-paritra isan’ambaratongany teto ireny. Na ny anarana nomena ilay rafitra antanan-tohatra aza dia efa anarana frantsay (Kaominina, distrika, faritra (Region)…)

Noho izany, aoka re mba hiainga sy hifototra amin’ny kolotsaina malagasy sy ny maha-isika antsika ny fananganan-javatra sy fampanjarian-javatra eto fa tena fahadisoana ny fifanakalozana traikefa amin’ny vahiny toa an-dry zareo Frantsay toa izao.

Tsy sanatria  hoe tsy fitiavana vahiny fa te hivoatra sy handroso ary hivelatra amin’ny maha-olombelona azy ny Malagasy sy ny taranany ho avy ka aza atao kilalao na andrana lava toa izao fa efa mafy ny nanjo nandritra izay 123 taona izay (1895-2018).

Toamasina: Teratany karana iray indray nalaina an-keriny

Mbola voaporofo indray omaly fa efa tena miantsy ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ireo jiolahy mpanao kidnapping eto amintsika. Raha mbola tsy tafaverina any amin’ny fianakaviana ilay teratany karana antsoina hoe Khalidas izay nisy naka an-keriny tetsy Antanimena, ny 17 janoary lasa teo, dia teratany karana hafa indray, antsoina hoe Akil Cassam Chenai, no nalain’ny jiolahy an-keriny tao Salamazay Toamasina, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany. Ity teratany karana ity izay fantatra fa filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa SCIM (Société Commerciale et Industrielle de Madagascar). Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tao anaty fiara ihany koa no nalain’ireo jiolahy an-keriny ingahy Akil Cassam Chenai. Tahaka ny fahita hatramin’izay dia nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo mpaka an-keriny tamin’io fotoana io. Vaomainka voaporofo moa ankehitriny fa tsy voafehin’ny fanjakana intsony ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Efa napetraka tany amin’ny faraparan’ny taona tamin’ny taon-dasa teo ny “cellule mixte” izay natao hiady amin’ity resaka fakana an-keriny ity saingy hatreto aloha dia tsy mbola hita izay tena vokatry ny asa ataony.

              F.Tsihiavonana

Lire aussi