La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY: Dia ny tena no menatra e !

Publié le 07 février 2018

Andro vitsy lasa izay dia namoaka lahatsoratra teto amin’ « Inty  sy Nday » izahay momba ny hoe « tany tan-dalàna hoe ? » Ankehitriny, nivoaka ny vokatra ny fanadihadiana nataon’ny « World Justice Project » ka nanasokajy ny laharan’i Madagasikara any amin’ny faha-98 amin’ny firenena 113 raha io fanajana ny foto-kevitry ny « tany tan-dalàna » io no asian-teny. Ny zava-nisy teto nandritra iny taona 2017 iny no nahitana taratra an’izany laharan’i Madagasikara izany. Nihemotra ny laharantsika Malagasy raha miohatrra amin’ny tamin’ny 2016 satria laharana faha-90 isika tamin’izany.

Dia ny tena no menatra e ! Ohatran’ny hoe te hanoso-potaka fotsiny ny fitondram-panjakana Hvm izahay raha nanao an’iny famakafakana teto momba ny tontolon’ny « tany tan-dalàna » iny. Izao dia voaporofo fa rehefa ny vahiny no manambara dia eken’ny maro.

Izahay tsy manao zinona ny voka-panadihadian’ny vahiny toa io saingy tsy mihambahamba kosa manipika fa « ny zava-misy iainana andavanandro eto amin’ny tany sy ny firenena, izay saika mianjady mivantana amintsika vahoaka, dia efa ahatsapantsika izany mivantana. Tsy ilàna firy mari-pandrefesana. »

Tsy mety resy lahatra tokoa mantsy ny Malagasy sasany hoe « mpanitsakitsaka ny lalàna velona ange ireo mpitondra fanjakana ireo, ary tsy ahitam-pahombiazana ry zareo amin’ny fampanajana izany lalàna velona izany ».

Mbola isan’ny endrika isehoan’ny tsy fanajana ny lalàna velona ka tsy ahafahana milaza fa tena « tany tan-dalàna ny eto Madagasikara », ny fampiharana na fanatanterahana didim-pitsarana. Firifiry akory ireo tranga namoahan’ny fitsarana didy saingy sahin’ny mpitondra ambony ara-panjakana no mamoaka fepetra milaza fa « tsy azo tanterahina io didim-pitsarana io ! ». Io  ilay antsoin’ny mpahay lalàna hoe « Pil » (Pour l’Intérêt de la Loi).

Fa ankoatra ny fanitsakitsahan’ny mpitondra ny lalàna ka mahatonga azy ireo hanampatra fahefana (abus de pouvoir) izay tranga mivantana ataon’ny mpitondra amin’ny fandikan-dalàna, dia hita taratra ao anatin’ny tany tsy tan-dalàna koa ny fisian’ny sokajin’olona maro tsy manaja ny lalàna velona.

Tompon’andraikitra amin’izany hatrany ny mpitondra fanjakana fa tsy afaka miala hoe « ka ny olom-pirenena ve no tsy manaja ny lalàna dia ny fanjakana no tompon’antoka amin’izany ? »

Matoa miseho ny fahasahian’ny olom-pirenena tsotra tsy manaja lalàna na tsy manatanteraka didim-pitsarana na minia mikimpy ka tsy mihetsika eo anoloan’ny didy avoakan’ny rafi-pitantanan-draharaham-panjakana, dia satria fantatr’ilay olom-pirenena tsy te hanatanteraka ny voalazan’ny lalàna fa mpitondra fanjakana mohaka no mitantana, mpitondra tsy mahatapak’ahitra toy ny angady mondro. Mpitondra fatra-mpanao tany avo avaratra…

Henatra ho an’ny vahoaka malagasy ny fahitana ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny amin’izany hoe « tsy tan-dalàna ny tany sy ny fanjakana eto » izany. Tsy voninahitra ny Malagasy mihitsy izany, nefa ny mpitondra no tsy mahavoa sy tsy ahitam-pahombiazana amin’ny fampanajana sy fampiharana ary fanajana ny lalàna eto.

Ny mpitondra fanjakana sy ny mpiray tsikombakomba aminy moa tsy dia mivaky loha ny amin’izany satria matoa manana fahasahiana hanampatra fahefana sy handika lalàna ry zareo dia noho ny fiheverany ho zava-dehibe ambonin’ny zavatra rehetra ny tombontsoany manokana, ka raha izay fandaharana an’i Madagasikara ho an’ny faha-98 amin’ireo firenena 113 momba izany « tany tan-dalàna » izany, dia tsy ahoan-dry zareo satria efa jamban’ny fanamparam-pahefana sy ny fanosihosena ny tany tan-dalàna ny masom-panahiny.

Ralay

 

 

 

Lire aussi