La Gazette de la grande ile

Lapan’ny tanàna Analakely: Nisahotaka ny mpiasa noho ny tsaho niely

Publié le 07 février 2018

Fihomehezana ny an’ireo mpanao gazety izay nanatrika ny fandravana ny Romanor etsy Ankorondrano, omaly atoandro. Teny an-toerana izy ireo no nahare ny vaovao fa misahotaka tsy misy toy izany ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ao amin’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Nisy mantsy ny tsaho niely tao amin’io toeram-piasan’ny ben’ny tanàna io fa ho avy hanakorontana miaraka amin’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg ny jeneraly Joseph Ramiaramanana, sekretera jeneralin’ny M2PATE. Ity farany anefa izay nanatrika ny fandravana ny Romanor etsy Ankorondrano tamin’io fotoana io ary tsy nieritreritra mihitsy na ny kely aza ny handeha ho eny amin’ny lapan’ny tanàna. Rehefa niely moa izay tsaho izay dia saika nanidy birao daholo ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny kaominina ary nandao ny toeram-piasana mialohan’ny fotoana. Eny fa hatramin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana aza dia voalaza fa niala tao amin’ny lapan’ny haingana rehefa niely ny tsaho. Na ny vavahadin’ny lapan’ny tanàna koa aza dia nidina mafy ary nasiana pôlisy monisipaly maro niambina azy. Rehefa nandiso izay tsaho niely tamin’ireo mpiasan’ny kaominina izay moa ireo mpanara-dia an-dRavalomanana tonga teny Ankorondrano vao niverina tamin’ny laoniny ny tao amin’ny lapan’ny tanàna. Izay no zava-nitranga somary nampihomehy ihany omaly fa etsy ankilan’izay dia mitohy ary mihamafy ny fifanandrinana eo amin’ny M2PATE sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ny efa voalaza tetsy ambony, tonga nandrava ny tranon’ny Romanor etsy Ankorondrano ny fanjakana tamin’ny alalan’ny ministera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika izay misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany na ny M2PATE. Nisy ihany ireo olon-tsotra mpanara-dia sy mpomba an-dRavalomanana no niezaka nisakana izay fandravana izay saingy tsy afa-nanao na inona na inona noho ny fisian’ny mpitandro filaminana maro teny an-toerana. Ny jeneraly Joseph Ramiaramanana izay nitondra fanazavana tamin’ireo mpanao gazety, nilaza fa ara-dalàna tanteraka izao fandravana ataon’ny ministera izao satria tanim-panjakana ity tany misy ny Romanor etsy Ankorondrano ity ary manamarina izany ny “certificat juridique” an’ilay tany izay navoakan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Etsy andaniny kosa, ny depiote TIM teo aloha, Ingahy Zafilahy Stanislas izay tonga teny an-toerana dia nanamafy hatrany fa tsy ara-dalàna izao fandravana ataon’ny ministera izao satria nisy ny didy efa navoakan’ny filan-kevi-panjakana ka nandresy ny tompon’ny tany izay nanao fifanarahana tamin’i Marc Ravalomanana.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi