La Gazette de la grande ile

Fisolokiana avo lenta :Tsy ho afa-bela i Ramangasoavina Gerald

Publié le 08 février 2018

Olona am-polony maro izy ireo no nifamory teny amin’ny foiben’ny antoko Otrikafo eny Andravoahangy Ambony, omaly, ary nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. Tsy iza moa ireto olona ireto fa ireo niharan’ny fisolokiana avy amin’ilay orinasa antsoina hoe “Tany Gasy”, izay natsangan-dRamangasoavina Herilanja Gerald. Ity farany izay tsiahivina ihany fa efa namoahan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly didy fikarohana (avis de recherche), tamin’ny herinandro lasa teo noho ny resaka fisolokiana avo lenta. Nanangana fikambanana mihitsy moa ireo olona an’arivony voasolokin’ny orinasa Tany Gasy ka ny tanjon’izy ireo dia ny fanairana ireo tompon’andraiki-panjakana mba handray andraikitra manoloana ity raharaha fisolokiana avo lenta nataon’ingahy Ramangasoavina Gerald ity. Raha hiverenena kely ny tantara dia olona manodidina ny 3600 izy ireo no voasoloky tamin’ny resaka tany. Orinasa nilaza ho mpivarotra tany mantsy ny Tany Gasy ka maro ireo olon-tsotra tonga nanantona azy rehefa nahare fa mivarotra tany amin’ny vidiny mora dia mora io orinasa io. Efa nangalàna vola an-tapitrisany maro daholo ireo olona miisa 3600 ireo kanefa mandrak’ity ny androany, tsy nisy ny tany azon’izy ireo na 1 metatra tora-droa aza. Ho an’ny UVTG na ny “Union des Victimes de Tany Gasy” dia mazava fa niharan’ny fisolokiana avo lenta no nataon’i Ramangasoavina Gerald ka izay no antony nametrahana’izy ireo fitoriana teny amin’ny pôlisin’ny boriboritany fahatelo. Gaga anefa izy ireo ankehitriny satria toa tsy mandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra voakasika amin’izany, ary voalaza fa misy tamin’ny atontan-taratasin’izy ireo izay nalefan’ny pôlisy eny amin’ny Fitsarana no nanjavona tampoka. Raha ny mikasika ny didy fikarohana navoakan’ny Bianco kosa dia nilaza ny UVTG fa tsy afa-po amin’izany izy ireo satria tahaka ny nampandosirina mihitsy ingahy Ramangasoavina Herilanja Gerald. “Aminay dia misy zavatra manjavozavo amin’ity raharaha ity satria efa lasa nandositra any ampitan-dranomasina i Ramangasoavina Gerald vao namoaka ny didy fikarohana azy ny Bianco. Ny fitoriana anefa efa ela no tonga teny anivon’ny fitsarana saingy tsy nisy nihetsika na ny tribonaly na ny mpitandro filaminana”, hoy i ramatoa Razafinirina Marie Angelina, filohan’ny UVTG. Manoloana izany toe-javatra izany moa dia nitady fanohanana avy amin’ny tsara sitra-po ny fikambanana ka nanohana ny antson’izy ireo ny administratera sivily Paolo Emilio Raholinarivo, mpanolotsain’ny praiminisitra. Ity farany izay nanambara nandritra izay tafatafa tamin’ny mpanao gazety izay fa tsy ho avela hanjaka eto amin’ity Madagasikara ity intsony ny mpanao ratsy ka mijoro ny tenany ankehitriny, miaro ireto olona an’arivony voasolokin’ny Tany Gasy ireto. Zavatra tsotra moa no takian’ny fikambanana UVTG dia ny famerenana ny vola rehetra nalaina tamin’ireo voasoloky miisa 3600 na fanomezana azy ireo ny tany efa naloa vola, fa eo koa ny tokony hanasaziana araka ny lalàna velona eto amin’ny firenena ny tompon’andraikitra voalohany ny orinasa Tany Gasy, tsy iza izany fa i Ramangasoavina Gerald izay marihana ihany fa mbola mialokaloka any ivelany, amin’izao fotoana izao. Na ny fikambanan’ireo voasoloky na ingahy Paolo Emilio Raholinarivo moa dia samy nilaza fa tsy hanaiky mihitsy ary hijoro hatramin’ny farany raha tsy voasazy ny mpisoloky azy ireo. Amin’iny herinandro ambony iny dia mbola hisy ny fitoriana miaraka hapetrak’izy ireo eo anivon’ny fampanoavana etsy Anosy.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi