La Gazette de la grande ile

Mahafaly Olivier: Notsenain-dRamanantsoa Benjamina teny Ivato

Publié le 09 février 2018

Tsy nisy ny fiovana fa dia tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana, rehefa avy nizaha fahasalamana tatsy amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sasany teo ho eo izy no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tonga nitsena azy teny an-toerana moa ny minisitra ny M2PATE, Ramanantsoa Benjamina, ity farany izay marihana ihany fa nitàna ny toeran’ny praiminisitra vonjy maika, tao anatin’izay 5 andro tsy naha teto an-tanindrazana an’ingahy Mahafaly Olivier. Ankoatra azy dia mpikambana ao anatin’ny governemanta miisa 4 hafa no tonga nitsena ny praiminisitra teny Ivato: ny minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitra ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, ny minisitra ny Filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana. Betsaka moa ny resaka nandeha tao anatin’ny 72 ora momba izay fandehanan’ny praiminisitra tatsy amin’ny Nosy La Réunion izay. Betsaka ireo nihevitra fa noesorina teo amin’ny toerany i Mahafaly Olivier ka natao tamin’ny fomba hafakely mbola tsy fahita teto amin’ny firenena. Ny fahatongavan’i Benjamina Ramanantsoa izay nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina anefa dia mampiseho fa mbola mijanona praiminisitra i Mahafaly Solonandrasana Olivier na dia betsaka aza ny resaka nandeha momba azy. Marihana moa fa tamin’ny fahatongavany teny Ivato dia nisafidy ny tsy naneho hevitra mihitsy ny praiminisitra na teo aza ny fanontanian’ireo mpanao gazety tonga maro teny an-toerana.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi