La Gazette de la grande ile

Fananana fiarakodia: Lasa latsa ho an’ny tompony ?

Publié le 14 février 2018

Isan’ny marika iray itarafan’ny fiaraha-monina ny fananan’ny olona iray ny fiarakodia. Tsy tokony hoheverina ho mpanan-karena avokoa anefa ny manana fiarakodia satria betsaka ny manana fiarakodia satria takian’ny asa aman-draharahany andavanandro izany. Izay no ahitantsika ny fiarakodia sasany, indrindra fa ny miasa amin’ny sehatra ny fitaterana, no tsy mba voakojakoja satria ny fidiram-bolany amin’ilay sehatr’asa mihitsy no zara fa misy.

Maro ny vesatra mitambaby amin’ny olona manana fiarakodia raha izay fiarakodia izay ihany no asian-teny. Ny olona sasany aza moa dia tsy tia mizaka manana fiarakodia fa hoe “harena mihinana harena io”. Eo ny fikojakojana azy izay vola no ahafahana miantoka izany. Eo ny antontan-taratasim-panjakana isan-tsokajiny izay tsy maintsy avaozina isa-taona, ohatra, na isaka ny enim-bolana na isaka ny telo volana, izay mitaky vola koa. Eo ny vola aloa amin’ny fiantohana azy raha itrangan-doza. Sy ny hafa tsy ho voatanisa e !

Raha fiara ampiasaina amin’ny sehatra ny fitaterana moa ilay fiara dia mbola mitombo ireo fepetra takiana aminy, izay vola avokoa no fotony.

Isan’ny mampikaikaika ny mpanao fitaterana io vesatra mitambaby amin-dry zareo io, nefa ny mpitondra fanjakana moa, satria tsy manana pôlitikam-pirenena momba ny hetra, dia ny sehatra hitany fa mandeha no itadiavany irika mandrakariva ny hamoronana hetra sy haba amolosana azy. Dia ireo fatra-mpandoa haba sy hetra, tsy afaka mihodivitra amin’ny hafetsifetsena ihany no itakiana haba sy hetra vaovao, na ampitomboina ny tahan’ilay hetra sy haba.

Amin’izao fotoana dia mamorona haba vaovao takiana amin’ny mpanana fiarakodia indray ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fitaterana, ka ilay Rafitra misahana ny fitaterana an-tanety (Agence de transport terrestre = Att) no fantatra fa hisahana azy io.

Tsy inona io haba vaovao io, raha ny antontan-taratasy efa mivoaka any rehetra any amin’ny alalan’ny didim-panjakana fa karazana fiantohana hoenti-mitsinjo ny tra-pahavoazana ateraka ny fiarakodia mifamoivoy eny an-dalambe.

Efa mandoa saram-piantohana (assurance) ny manana fiarakodia nefa dia mbola hitakiana ity haba vaovao ity indray koa, ka mahatonga an’ireo

manana fiara, indrindra fa ny mpitatitra hieritreritra ny hanao hetsika goavana satria tena fanampiana ny vesatra hamonoana an-dry zareo izao. Dia zary lasa latsa ho an’ny tompony tokoa ve, sanatria ny fananana fiarakodia ?

Tetika hitadiavan’ny fitondram-panjakana irika hampidirana vola hiliban-dry zareo io satria raha ny tarehi-marika fantatra dia manodidina ny 900 Tapitrisa ariary isam-bolana any no ho tafiditr’io haba vaovao io. Etsy ankilany, fomba ahoana no ahafahana miantoka fa ho voatsinjon’ny “Att” ao anatin’ny fotoana fohy ny niharam-pahavoazana vokatra ny lozam-pifamoivoizana? Iaraha-mahita ihany mantsy ny fepetra eo amin’ny famoaham-bola ao amin’ny kitapom-panjakana fa tsy vita ao anatin’ny herinandro, nefa ilay olona tra-doza, mila vahaolana ao anatin’ny fahefatr’adiny, ohatra.

Ireo mpitatitra tafaresaka taminay moa dia misy ny manamarika fa “raha tsy maintsy takiana aminay mpitatitra io haba vaovao io dia tsara raha eo anivon’ny orin’asam-piantohana ananganana rafitra ara-dalàna mitantana azy io dia mba tsy sarotra ny fampiasana azy rehefa ilaina.”

Ny mpitatitra hafa dia nanindry fa tsy mahita vola hoenti-miatrika ny fifidianana indray ny fanjakana dia mamorona izay karazan-kaba alaina amin’ny vahoaka.

Harahintsika maso akaiky ity raharaha ity dia hotrandrahintsika lalindalina kokoa.

 

Fampiasàna «cocarde» sy «gyrophare»: Ho saziana ireo fiara minia mandika lalàna

Tao anatin’izao fitondrana HVM izao dia tsikaritra eny andalana eny ny fahamaroan’ireo fiarakodia an’olon-tsotra izay mampiasa ireny mari-pamantarana manokana ireny, toy ny saina kely famantarana na ny “cocarde”, ary ny “gyrophare”. Tsy fantatra intsony izay tena ara-dalàna sy tsy ara-dalàna satria maro amin’ireo fiara mifamoivoy eny amin’ny arabe no mampiasa ireo mari-pamantarana manokana ireo ankehitriny. Tsara anefa ny manamarika fa misy ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana azy ireny. Tsy ny olom-pirenena rehetra no afaka mampiasa azy fa efa voafaritra ao anatin’ny lalàna ireo sokajin’olona mahazo alàlana mampiasa azy. Tsy hoe rehefa manam-pahefana na manana andraikitra ambony eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia mahazo mampiasa ireo mari-pamantarana manokana ireo avokoa koa fa sokajin’olona vitsy ihany, araka ny voafaritra ny lalàna. Ny zavatra hita sy tsikaritra amin’izao fotoana, betsaka ny fiara izay entina olon-tsotra no ahitàna “cocarde” eo anoloana kanefa tsy manan-jo ampiasa izany akory. Matetika mantsy dia tsy manakana ireny fiara misy saina kely ireny mpitandro filaminana noho ny tahotra satria mety ho manam-pahefana tokoa no mitondra ilay fiara. Manoloana indrindra izany toe-javatra izany dia nanapa-kevitra ary nandray fepetra hentitra ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena ka ho saziana daholo ireo fiara minia mandika lalàna, izany hoe ireo fiara an’olon-tsotra mampiasa ny “cocarde” na ny “gyrophare” kanefa tsy ao anatin’ireo sokajin’olona mahazo alàlana hampiasa azy ireny. Mampahafantatra ny be sy ny maro ny seraseran’ny pôlisim-pirenena fa ho hamafisina ny fisavàna sy ny fanaraha-maso ary ny fanasaziana ireo fiarakodia mandika lalàna amin’ny fampiasana itony marika manokana itony. Efa nisy moa ny vokatra azo satria tamin’ny alatsinainy 12 febroary teo ohatra, fiara 4×4 iray nampiasa “cocarde” no nosakanan’ny pôlisy avy ao amin’ny boriboritany faha 6 tetsy Ambohimanarina, rehefa natao anefa ny fisavàna dia hita fa tsy manana ny taratasy fahazoan-dalàna hampiasa izany akory anefa ny tompon’ilay fiara. Nandray fepetra avy hatrany ireo pôlisy ka nanasazy ity fiara 4×4 ity. Tsara marihana fa tsy ireo fiara mampiasa itony mari-pamantarana manokana itony ihany no handrasain’ny mpitandro filaminana izany fepetra izany fa hatramin’ireo fiara izay miloko mainty ny fitaratra na ny “vitre fumée”. Ny fahamaroan’ny fiara mampiasa ny “cocarde” sy ny “gyrophare” kanefa tsy manan-jo hampiasa izany akory dia mbola porofo iray mitohaka amin’ny tenda fa ny gaboraraka sy ny baranahiny no manjaka eto amin’ity Madagasikara ity.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

Lire aussi