La Gazette de la grande ile

Fiandaniana politika: Mbola ho ela ny Malagasy vao hanohana foto-kevitra

Publié le 15 février 2018

Taona handraisan’ny vahoaka malagasy fanapahan-kevitra lehibe amin’ny hoavin’ny firenena ity taona 2018 ity. Afaka 9 na 10 volana eo mantsy farafahatarany no handatsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenena hitondra ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka ny vahoaka. Raha ny zavatra hita sy tsikaritra amin’izao herintaona latsaka mialohan’ny fifidianana izao dia efa mandeha sahady ny fanaratsiana sy ny fanenjehana amin’ny endriny maro samihafa eo amin’ireo mpomban-dRakoto sy ny mpomban-dRabe. Any anaty tambazotran-tserasera moa no tena ahitàna izay fifanasàna vangy eo amin’ny samy Malagasy izay. Misy ireo tsy manao afa-tsy ny manapotika ireo mpanao politika mpifanandrina amin’ny firehena antoko misy azy any amin’ny fifidianana, ary mahavita mihintsy moa ny sasany manitsakitsaka ny hasin’ireo Malagasy namoy ny ainy sy latsa-drà tamin’ireo tolom-bahoaka nisy teto amin’ny firenena. Foto-pisainana izay efa mifanipaka tanteraka amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina maha malagasy. Ny zava-misy ary hita mibaribary eto amintsika amin’izao repoblika faha 4 izao dia mbola tsy afaka ao anatin’ny Malagasy mihintsy aloha hatreto ny fiandaniana amina tsangan’olona iray rehefa miresaka na miady hevitra amin’ny resa-politika. Amin’ny ankapobeany dia tsy misy miraharaha an’izany foto-kevitra ara-politika izany ny Malagasy fa rehefa i Rakoto na i Rabe no tohanany dia iny olona iray iny no tompoina na inona na inona adalana nataony teto amin’ny firenena. Io moa ilay antsoin’ny frantsay hoe “fanatisme politique” ary anisan’ny nanapotika ity Madagasikara ity. Mbola tsy ho amin’ity fifidianana ho tanterahina amin’ny faran’ny taona ity mihintsy aloha vao tena hiandany amina foto-kevitra na amina programan’asana antoko iray ny Malagasy. Izany raha teo koa no nitaizàn’ny mpanao politika  ny vahoaka tao anatin’ireo repoblika nifandimby ka tsy mahagaga raha izany no zava-misy eto amin’ity firenena ity.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi