La Gazette de la grande ile

Fifamoivoizana ao Antsirabe: Henjana ny sazy miandry ireo mafy loha

Publié le 15 février 2018

Handray fepetra hentitra ny eo anivon’ny foibem-paritra ny fitaterana sy famantarana toetrandro. Tsapa mantsy fa tena manao ny ataony tanteraka ireo fiara fitaterana eto Antsirabe na andrenivohitra izany na ny any ambanivohitra. Betsaka ihany koa ny fitarainana avy amin’ny vahoaka maro, ka tapaka ny hevitra fa ho raisina ny fepetra ho an’ireo minia mandika lalàna. Minia mandika lalàna satria efa maro fivoriana naraham-panentanana niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra nefa toa rano atondraka andamosin-gisa fotsiny ihany izany, hany ka mikaikaika sy tezitra ny vahoaka mpanjifa. Misy ireo fanentanana an’ireo fiara rehetra mba hanara-dalàna mba hisian’ny filaminana ary koa hisorohana ny loza. Raha ny hita sy fantatra dia maro ireo mpamily manao sangy ratsy ny asany. Ohatra amin’izany ny fiverenan-dalana nefa mbola tsy tonga eny amin’ny fiantsonana farany (terminus) akory, ny fanondrotana saran-dalana, ny fampitsanganana ny mpandeha ary fanalana avy hatrany ny mpandeha rehefa tsy manaiky mitsangana, ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha fa mandeha mafy mifanenjika amin’ireo fiara mpitatitra sasany. Andraikitra ny tsirairay ny fanajana lalàna, hoy ihany ny avy ao amin’ny DRTM satria tsy ny mpamily ihany no mety solafaka fa misy koa ny mpandeha mihitsy no minia mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ohatra ny fangatahana fijanonana nefa tsy eo amin’ny toerana natokana (arrêt) akory, ny fidirana anaty fiara na dia hita fa efa feno ny toerana ka izany indrindra no mahatonga ny fitsanganana. Ho fisorohana izany rehetra izany anefa dia misy ireo didy izay fampahatsiahivana ihany apetraka ny DRTM na amin’ny mpamily, resevera ary ny mpandeha ka hihatra avy hatrany ny sazy ho an’izay tsy manaraka izany. Manoloana izao fandraisan’andraikitra izao anefa dia hita miharihary fa mitongilana ny fanjakana satria misy ireo tsy manohana akory amin’ny fandraisana andraikitra fa tsy misy tokontaniny akory na ny fiantsonana (arrêt) na ny lalana. Eo ihany koa ireo zatra mandray tolotolotra kely avy amin’ny mpamily ka lasa manome vahana ny tsy fanarahan-dalana, izany indrindra no anentanan’ny DRTM ny vahoaka rehetra fa andraikitra ny tsirairay ny mahafoana izany zava-misy rehetra izany mba hampilamina ny fitaterana.

Lire aussi