La Gazette de la grande ile

Préfet de police: Miaiky ny fisian’ny fandikan-dalàna eo anivon’ny CUA

Publié le 15 février 2018

Tao anatin’ny 2 taona mahery nitantanan’ny TIM ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia tsy voaisa intsony ny ampamoaka nataon’ireo mpanolotsaina monisipaly mpanohitra mikasika ny tsy fanarahan-dalàna maro sy ny tsy fahaiza-mitantana misy eo anivon’ny kaominina. Tsy takona afenina intsony moa izay tsy fanarahan-dalàna izay ka na ny préfet de police eto Antananarivo aza dia miaiky izany. Raha ny zava-misy tamin’iny taona lasa iny dia tsy voahajan’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ny lalàna izay mamaritra ny fotoana tokony hanaovana ny fivoriana ara-potoanan’ny filankevitra monisipaly izay natao handinihana ny lalàna mifehy ny teti-bolan’ny kaominina. « Raha ny voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, ao amin’ny andininy faha 75, lalàna 2014-020, dia ny tapa-bolana faharoa ny volana aogositra no tokony hanaovana izay fivoriana ara-potoana handinihana sy handaniana ny teti-bolan’ny kaominina izay, efa taty amin’ny volana desambra anefa vao nampiantso fivoriana ny mpanatanteraka. Na teo amin’ny fomba nandinihana sy nandaniana ilay lalàna mifehy ny teti-bola aza dia nisy  ihany koa ny fandikan-dalàna satria tsy voahaja ny andininy faha 85 ao anatin’ny lalàna. Ny mahagaga dia tamin’ny 5 janoary no nankatoavin’ireo  mpanolotsaina ilay lalàna mifehy ny teti-bola kanefa 25 andro aty aoriana, izany hoe ny 25 janoary vao tonga aty amin’ny prefektiora izany lalàna izany », hoy ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, préfet de police eto Antananarivo.  Ity farany izay nanambara fa mibaribary ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fandikan-dalàna eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra saingy mandefitra ny prefektiora manoloana izany rehetra izany. Tsara marihana  fa raha ny voalazan’ny lalàna dia ny  prefektioran’ny polisy eto Antananarivo no manara-maso  ny maha ara-dalàna na tsia ny lalàna rehetra hankatoavina eo anivon’ny filankevitra monisipaly. Izay moa ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe « contrôle de légalité », tahaka ny ataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’ireo lalàna rehetra ankatoavin’ny  parlemanta.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

Lire aussi