La Gazette de la grande ile

Zara fa vita ny lalana

Publié le 15 février 2018

Raha efa ela no nimenomenoman’ny mponina eto Vakinankaratra ny momba ny faharatsian’ny lalana dia mba nahitana vokany ihany izany satria nisy ny fanamboarana ny lalana sasantsasany eto an-tanàna. Na izany aza dia hita fa lalana zara fa vita satria katsoaka no betsaka anampenana ireo lavadavaka ka vao mainka mampimenomenona ny olona sasany indrindra fa ireo mitondra bisikileta,cyclo-pousse, moto. Misy ihany koa anefa ny tena namboarina tsara toy ny eo amin’ny lalana eo amin’ny “voirie” mampitohy ny lalana mankany amin’ny lalam-pirenena laharana faha 33. Maro kosa ny lalana izay mbola tena hita fa ratsy ary tsy misy ny fanamboarana hatreto. Marina fa tsy mora ny manao zavatra fa ny manao ny zara fa vita kosa vao mainka miteraka fahasahiranana tanteraka ho an’ireo fifamoivoizana ka mitarika fahasimban’ny fiara mivezivezy. Raha tsiahivina dia nisy ny toky izay nomen’ny ben’ny tanànan’Antsirabe fa hisy lalana 20km hamboarina ka asa hoe iza amin’ireo lalana zara fa vita ireo ilay izy. Raha misy anefa ny tena mampitaraina ny mponina dia ny lalana no tena voatonona matetika. Asa raha mba henoin’ny tompon’andraikitra ihany izany fitarainana izany na odiana be marenina tsotra izao.

Haingo R

 

Lire aussi